Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitaona anao hibebaka ny fitiavany

Daty
Talata 23 December 2025

 "Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan 'izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin 'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. "- Jao. 12:31,32. 


Mofon’aina:
Tonga i Kristy mba haneho ny fitiavan' Andriamanitra   amin' izao tontolo izao ka hitaona ny fo rehetra hanatona Azy. Ny dingana voalohany ho amin'ny famonjena dia ny manaiky hotaomin'ny fitiavan'i Kristy. Nandefa hafatra mifanesy ho an' ny vahoakany Andriamanitra, nitaona azy ireo hibebaka, mba hamelany ny helok'izy ireo (...). Tsy hisy ye ny fibebahana? Moa ye ny antsony tsy hisy hanoina? (…)

Endrey! Raha manao izany ny mpanota dia miala amin'ny lalana izay hahafahany mahazo ny fiainana mandrakizay; satria izay mibebaka ihany no avelan'Andriamanitra heloka. Amin'ny fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany sy ny fitalahoan'ny Fanahiny no itaomany azy ireo hibebaka; fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fibebahana ary taominy hibebaka aloha ny olona vao havelany heloka. Ny fifaliana mamy indrindra dia avy amin'ny fibebahana marina tokoa amin'Andriamanitra noho ny fandikana ny Lalany, ary amin'ny finoana an'i Kristy ho Mpanavotra ny mpanota sady Mpisolovava azy. 

(...) Tonga i Kristy mba haneho amin'ny mpanota ny fahamarinan' Andriamanitra sy ny fitiavany (...). Rehefa mibanjina an'i Jesosy izay niantona teo amin'ny hazo fijaliana ny mpanota, Izy flay nijaly noho ny heloky ny mpandika lalana (...) dia ho voatarika hibebaka (...) izy ireo noho ny nandikany ny lalana izay masina sy marina ary tsara. Mino an'i Kristy izy ireo, satria nanjary Solony sy Antoka ho azy ary Mpisolovavany Ilay Mpamonjy avy any an-danitra (...). Hasehon' Andriamanitra amin'ny mpanota mibebaka ny famindrampony sy ny fahamarinany, ary harotsany amin'izy ireo ny famelan-keloka sy ny fitiavany.

Tamin'ny fahorian'i Kristy sy ny fahafatesany no nanaporofoany ny fitiavana tsy manam-petra itiavany ny taranak' olombelona. Vonona Izy hamonjy ary azony atao ny mamonjy (...) izay rehetra manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany.- ST, 12 Septambra 1911. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal