Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Haloan'i Jesosy ny trosa

Daty
Alakamisy 25 December 2025

"Sa hamavoinao ny haren 'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin 'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?" - Rom. 2:4.

Mofon’aina:
I Onesimosy dia anisan'ny mpianatra izay niara-niasa / tamin'i Paoly tany Roma; andevo nitsoa-ponenana avy any Kolosia izy. Kristianina iray antsoina hoe Filemona no tompony tany (...). Saingy nandroba ny tompony izy ka nandositra tany Roma. Tamin'ny fahatsaram-panahin'ny fony dia nitady izay hanamaivana ny fahantrana sy ny fahorian'ity mpitsoa-ponenana ity flay apostoly sady niezaka handatsaka ny fahazavan'ny fahamarinanatao amin' ny sainy nohamaizinina. Nohenoin'i Onesimosy tsara ny tenin'ny fiainana izay tsy noraharahainy taloha, ka voaova ho amin'ny finoana an'i Kristy izy. (...

 Nanomboka nahita fitia tamin'i Paoly izy noho ny fitiavam-bavaka tao aminy, sy ny fanetren-tenany ary ny fahatsoram-pony (...). Hitan'i Paoly tao aminy ny lafin-toetra izay afaka ny hahatonga azy ho tena sahaza tokoa eo amin'ny asa misionera ka dia nentiny tamim-pifaliana tany Roma izy. Kanefa tsy nanao izany izy raha tsy efa nahazo lalana mazava tamin'i Filemona. 

Tonga ny fotoana izay nanapahany hevitra hampody an'i Onesimosy any amin'ny tompony. Fitsapana mahery vaika ho an'ity mpanompo ity ny hiverina irery any amin'ny tompony izay nanaovany fahadisoana. Kanefa efa niova fo tanteraka izy ka na dia mangirifiry toy inona aza izany dia tsy nihemotra tamin'io andraikitra io izy. (...)Tamin'ny fomba feno fitandremana sy fahendrena no niangavian'i Paoly an'i Filemona hanaiky ny fibebahan' ity andevo ity (...). Nangataka an'i Filemona izy handray an'i Onesimosy ho toy ny zanany. (...)

Sary an'ohatra mifandrindra tsara manao ahoana izany hanehoana ny fitiavan' i Kristy ny mpanota mibebaka! Tahaka flay mpanompo namitaka ny tompony, izay tsy nanana na inona na inona hanonerana ny fahadisoany, toy izany koa ny mpanota nandroba an'Andriamanitra (...) izay tsy manana na inona na inona hoenti-manafoana ny trosany. Nefa i Jesosy mijoro eo anelanelan'izy ireo sy ny fahatezeran'Andriamanitra, ary milaza hoe: "Haloako ny trosa. Aoka tsy hahatra amin' izy ireo ny famaizana noho ny fahadisoany, fa Izaho no hisolo toerana azy."— SFLP, tt. 284-287.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal