Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Haloan'i Jesosy ny trosa

Daty
Alakamisy 25 December 2025

"Sa hamavoinao ny haren 'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin 'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?" - Rom. 2:4.

Mofon’aina:
I Onesimosy dia anisan'ny mpianatra izay niara-niasa / tamin'i Paoly tany Roma; andevo nitsoa-ponenana avy any Kolosia izy. Kristianina iray antsoina hoe Filemona no tompony tany (...). Saingy nandroba ny tompony izy ka nandositra tany Roma. Tamin'ny fahatsaram-panahin'ny fony dia nitady izay hanamaivana ny fahantrana sy ny fahorian'ity mpitsoa-ponenana ity flay apostoly sady niezaka handatsaka ny fahazavan'ny fahamarinanatao amin' ny sainy nohamaizinina. Nohenoin'i Onesimosy tsara ny tenin'ny fiainana izay tsy noraharahainy taloha, ka voaova ho amin'ny finoana an'i Kristy izy. (...

 Nanomboka nahita fitia tamin'i Paoly izy noho ny fitiavam-bavaka tao aminy, sy ny fanetren-tenany ary ny fahatsoram-pony (...). Hitan'i Paoly tao aminy ny lafin-toetra izay afaka ny hahatonga azy ho tena sahaza tokoa eo amin'ny asa misionera ka dia nentiny tamim-pifaliana tany Roma izy. Kanefa tsy nanao izany izy raha tsy efa nahazo lalana mazava tamin'i Filemona. 

Tonga ny fotoana izay nanapahany hevitra hampody an'i Onesimosy any amin'ny tompony. Fitsapana mahery vaika ho an'ity mpanompo ity ny hiverina irery any amin'ny tompony izay nanaovany fahadisoana. Kanefa efa niova fo tanteraka izy ka na dia mangirifiry toy inona aza izany dia tsy nihemotra tamin'io andraikitra io izy. (...)Tamin'ny fomba feno fitandremana sy fahendrena no niangavian'i Paoly an'i Filemona hanaiky ny fibebahan' ity andevo ity (...). Nangataka an'i Filemona izy handray an'i Onesimosy ho toy ny zanany. (...)

Sary an'ohatra mifandrindra tsara manao ahoana izany hanehoana ny fitiavan' i Kristy ny mpanota mibebaka! Tahaka flay mpanompo namitaka ny tompony, izay tsy nanana na inona na inona hanonerana ny fahadisoany, toy izany koa ny mpanota nandroba an'Andriamanitra (...) izay tsy manana na inona na inona hoenti-manafoana ny trosany. Nefa i Jesosy mijoro eo anelanelan'izy ireo sy ny fahatezeran'Andriamanitra, ary milaza hoe: "Haloako ny trosa. Aoka tsy hahatra amin' izy ireo ny famaizana noho ny fahadisoany, fa Izaho no hisolo toerana azy."— SFLP, tt. 284-287.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal