Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.

Daty
Alatsinainy 16 February 2026

Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe "Lahimatoa" dia saika manondro an'i Jesosy mandrakariva (jereo ny Lio. 2:7; Rôm. 8:29; Heb. 1:6; Apôk. 1:5), anisan'izany ny ao amin'ny Kolosiana. Kanefa, na dia manondro olona hafa aza izany teny izany, dia tsy voatery izay teraka voalohany no tondroiny. Ny hevitry ny "lahimatoa" ao amin'ny Baiboly dia manasongadina ny fifandraisana manokana ifandraisan'ny zanaka lahy amin-drainy, na fahafiry na fahafiry ny filaharany eo amin'ny fahaterahana. Ankoatra izany, dia misy ny ohatra mikasika ireo zanaka lahy tanora kokoa nefa nanana fahamboniana noho ny rahalahiny: i Isaka sy i Jakoba ary i Josefa, raha tsy hitanisa afa-tsy izy ireo isika.

I Davida, na dia zandriny indrindra aza tamin'ireo zanakalahin'ny rainy izay niisa valo, dia nohosorana ho mpanjaka (1 Sam. 16:10-13), ary io mpanao saiamo io no nilazan'Andriamanitra hoe: "Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany." - Sal. 89:27. Izao koa no nolazain Andriamanitra tamin'i Mosesy: "(...) Zanako lahimatoa Isiraely -Eks. 4:22. Araka izany, dia manondro fahamboniana izany teny izany.

Vakio ny Kol. 1:15-17. Inona no antony mahatonga an'i Paoly miantso an'i Jesôsy hoe "Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao"?

Mazava loatra ny tian'i Paoly hambara: tsy i Jesôsy no voary noforonina voalohany indrindra. Raha ny marina aza dia manilika tanteraka izany fiheverana izany mihitsy izy. Indroa no nilazany tamin'ny fomba samy hafa fa i Jesosy no nahary ny zavatra rehetra. Izy no nahary ireny ary ho Azy izany (Köl. 1:16). Ao anatin'izany, dia i Jesosy no notendren ‘Andriamanitra manokana mba hanatanteraka ny famoronana (jereo koa ny Efes. 3:9; Jao. 1:1-3; Apôk. 4:11).

Fanambarana feno araka izay tratra no nataon'i Paoly. Ny rehetra dia tena midika ho rehetra - amin'ny erana (ny lanitra sy ny tany), amin'izay rehetra misy (ny hita maso sy ny tsy hita), ary amin' amin'ny asa (seza fiandrianana, fanapahana, fanjakana ary fahefana). Ity farany dia hoenti-manondro ireo anjely (jereo ny Efes. 3:10; Efes. 6:12). Toa tian'i Paoly ny hahazo antoka fa tsy ho diso ny fandraisana ny hevitra ambarany, ka nolazainy koa fa efa nisy "talohan'ny zavatra rehetra" i Jesôsy (Kôl. 1:17 (Kôl. 1:17). Ny teny grika ilazana izany dia midika ho fahamboniana na fizokiana eo amin'ny laharana sy ny fotoana, saingy ao amin'ny ohatra hafa resahin'ny asa soratr'i Paoly, dia manondro ny fotoana izany (jereo ohatra ny 1 Kôr. 2:7; Gal. 1:17; Efes. 1:4).

Antony iray hafa hoentin'i Paoly milaza ny fahambonian'i Jesôsy koa izao: "ao Aminy no aharetan'ny zavatra rehetra" - Kôl. 1:17. Ny teny grika (synistemi) dia midika ara-bakiteny hoe: "mampitambatra" na "mampiray". I Jesôsy no mampiray an'izao rehetra izao, tsy noho ny maha Mpamorona Azy fotsiny fa noho ny maha Mpanavotra Azy koa.

Maty ho antsika Andriamanitra, ilay Mpamorona. Inona no azon'ny asantsika anampiana amin'izany? Nahoana no fitenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra ny fiheverana fa mety hanampy ny zavatra efa vitan'i Kristy ny asantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal