Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tolona hanana fisainana ara-panahy 

Daty
Talata 02 June 2026

"Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana satria fandrafiana an 'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany." — Rôm. 8:6,7.

Mofon’aina:
Mirona ho amin'ny fahafinaretana sy ny fanomezana fahafaham-po ny tena ny fisainana ara-nofo. Tetikadin'i Satana ny manomana maro dia maro amin'ireo. Katsahiny ny hameno ny sain'ny olona amin'ny fialamboly araka izao tontolo izao ka tsy hahafahany mametra-panontaniana akory hoe: ahoana ny amin'ny fanahiko? Mifindra haingana ny fitiavam-pahafinaretana. Raha avela hanaraka izany lalana izany ny saina, dia hitady fialamboly tsy ankijanona izy. Ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra no manohitra izany fironana izany ary manangana sakana manohitra ny tsy fahamasinana.

 (...) Amin'ny fomba ahoana no hitomboan'ny fitiavana an' Andriamanitra sy ny zavatry ny lanitra raha tsy eto amin'izao fiainana izao? Raha avela handany ny fotoantsika sy ny fifantohantsika rehetra ny fitakiana sy ny fiahiahian'izao tontolo izao, dia hihaosa ary ho faty ny herintsika ara-panahy. Ao amin’ny saina izay voatolotra tanteraka amin'ny zavatra eto an-tany dia mihidy avokoa ny varavarana rehetra izay ahafahan'ny fahazavana avy any an-danitra miditra. Tsy miantraika eo amin'ny saina na ny toetra akory ny fahasoavan' Andriamanitra manova. 

Miaina ao anatin'ny lozan'ny andro farany isika, ka tokony hiaro ny lalana rehetra izay ahafahan'i Satana manatona antsika amin'ny fakam-panahy. Ny fankatoavana tsotra ny fahamarinana dia tsy hamonjy fanahy amin'ny fahafatesana. Tsy maintsy hamasinina amin'ny fahamarinana isika; ny kilema rehetra eo amin'ny toetra dia tsy maintsy resena, fa raha tsy izany dia izy no handresy sy hifehy antsika. Aoka tsy hangataka andro fa hanomboka hanongotra ny ahidratsy rehetra ao amin'ny zaridainan'ny fo; ary amin'ny fahasoavan'i Kristy, aoka tsy hisy zavamaniry hivelatra ao afa-tsy izay mitondra voa ho amin'ny fiainana mandrakizay.

Kolokoloy izay rehetra ao amin'ny toetranao ka mifanaraka amin'ny toetran'i Kristy. Hazony tsara izay marina, mahitsy, ara-drariny, madio, maha-te ho tia ary tsara laza; fa ario kosa izay rehetra tsy mitovy amin'ny Mpamonjy antsika. Ny fanahy rehetra izay hahazo ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy ho tahaka an'i Kristy: `masina, tsy manan-tsiny, tsy voaloto, voasaraka amin'ny mpanota' - Hebreo 7:26. — RH, 3 Jona 1884. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal