Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kofehy manan-danjan'ny hery miasa mangina

Daty
Sabotsy 13 June 2026

 Handehananao aimn’ny làlan 'ny tsara fanahy sy hitandremanao ny alehan 'ny marina." - Ohab. 2:20

Mofon’aina:
Ao amin'ny fiaraha-monina any an-tsekoly dia matetika misy sokajin'olona roa: ireo maniry hanao ny tsara ary ireo manasa ny hafa hiditra amin'ny faharatsiana. (...) 

Amin'ny fiarahana amin'ireo tsy i miraika sy tsy mena, dia mora foana ny hanaraka ny fomba fijeriny ka hamery izay rehetra fiheverana mifandraika amin'ny hevitry ny maha mpianatr 'i Jesosy. Tandremo indrindra izany lafin-javatra izany. Aoka tsy hahatonga anao hania ireo izay fantatrao amin'ny teniny sy ny asany fa tsy manana fifandraisana amin'Andriamanitra. "Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy." - Mat. 7:20 (...)

 I Satana dia mitady hampiditra ny toe-tsainy ao amin'ny fanahy rehetra izay tsy mifandray amin'i Jesosy Kristy, ary ny fanahy rehetra mandà ny hifandray Aminy dia hanjary hifandray amin'ny fahavalon'i Kristy. Misy kofehin'ny hery miasa mangina avy amin'ireny fanahy ireny izay mamatotra sy misintona ny hafa amin'ny alalan'ny fitaoman'ny olombelona, mandra-pahatonga azy ireo ho eo ambany fifehezan'i Satana, ka ho voatarika ho amin'ny lalana tsy izy. (...) Loza mananontanona ny rehetra izany. Halaim-panahy hifidy izay lalana tianao haleha sy izay tianao hatao ianao, kanefa ao anatin'izany dia ataonao tsinontsinona ny sitrapon'Andriamanitra. (...)

Aoka tsy hisy na inona na inona hanalavitra anao amin ' ny asa fanorenan-toetra; fa ataovy ny asanao ho an'izao fotoana izao sy ho an'ny mandrakizay. (...) Fiainana mirindra no iaino, ary aoka ny toetranao hovolavolaina araka ny Ohatry ny lanitra. Raha toa ianao miaina ao anatin'ny tsy firaihana ka tsy miambina amim-bavaka, dia azo antoka tokoa fa ho lavo ao anatin'ny fandriky ny fahavalo ary ho voataona hanota. (...) - L 71, 1893.

 Mikasika sy mitaona ny fo rehetra i Jesosy Kristy. Rehefa tonga mpandinika ny Soratra Masina ianao, dia raketin'ny Fanahin'Andriamanitra ao am-po izay mahakasika an' Andriamanitra. Ny kofehy vol amena avy amin'ny fanahin ireo izay manao an' Andriamanitra ho heriny dia mamatotra ny hafa amin'ny alalan'ny hery miasa mangina ary misintona azy ireo hankeo amin'i Kristy. Izany no asa tokony hataon' izay mametraka ny fanorenany eo ambonin'ny vato fehizoro sarobidy, satria miara-miasa amin'i Jesosy Kristy izy ireo. - L 71, 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal