"Naman'izay rehetra matahotra Anao aho sy naman’izay mitandrina ny didinao." - Sal. 119:63
Mofon’aina:
Mila namana ny tanora, ary arakaraka ny hamafin'ny firaketan'ny fony amin'ireo namana ifandraisany no hahatonga ireo namana ireo ho fitahiana na ho ozona ho azy. Koa aoka hitandrina ny ray aman-dreny ( ...) manoloana ny hery miasa mangina avy amin'ny fisakaizana. "Izay miara-dia amin 'ny hendry dia ho hendiy; fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza." - Ohab. 13:20. Hanana namana maro ny tanora ary hahatsapa ny hery miasa mangina avy amin'izy ireny. (...)
(...) Matetika ny fitaomana no mangingina sy tsy tsikaritra akory, kanefa mahery ary manan-danja. Raha lehilahy sy vehivavy hendry (...) no fidina ho namana, dia mankeo amin'ny lalana mivantana mankamin'ny fahamatoran'ny eritreritra sy ny hevitra ary ny fahitsian-toetra ianao. Ary ny fisakaizana toy izany dia sarobidy indrindra eo amin'ny famolavolana ny toetra. Fifandraisana mitondra ho amin'ny soa no hanodidina anao, izay tsy ho hain'ny devoly ravana amin'ny paikadiny feno fitaka. (...)
Raha toa ny tanora misafidy ny hifandray sy hiara-miasa amin'ny olona manana fitsipi-piaina sy fanao ratsy (...) dia ho voaloto izy. Fitaomana miasa mangina no manenona ny fihetsehampony ( ...) ary tonga ampaham-piainany mihitsy; mandeha eo amoron-tevana izy saingy tsy mahatsapa ny loza mananontanona. Mianatra initia ny teny mamin'ireo mpandokadoka sy ny teny feno fitaka izy ireo, ka tsy mahazo aina sy malahelo raha tsy derain'ny olona fatratra sy hasohasoina. ( ...) Ny fandehanana araka ny torohevitry ny ratsy fanahy no dingana voa1ohany mankeo amin'ny toeran ny mpanota sy ny mpanevateva. L 26d, 1887.
Ny hany lalana azo antoka ho an'ny tanora dia ny fisakaizana amin'ny olona madio sy marina, ka ho voafehy ny fironana (...) ho amin'ny ratsy. Raha olona matahotra ny Tompo no fidiny ho namana, dia tsy (...) handà ny Tenin'Andriarnanitra izy na hikolokolo fisalasalana sy tsy fahatokiana. Lehibe sy mahasoa tokoa ny herin'ny ohatra tena ampiharina. - L 26d, 1887.