Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikarakara ny tempolin'ny tena

Daty
Sabotsy 04 July 2026

"Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy, mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany." - Sal. 139:14.

Mofon’aina:
Nomen'Andriamanitra fahaiza-manao sy tanjaka isika na ara-tsaina na ara-batana, izay adidintsika rehetra ny mikolokolo izany ho amin'ny tsara indrindra. Raha misy tonga osa noho ny fanaranam-po amin'ny flâna, dia mihena ny hery tsara miasa avy aminy, ka tonga tsy lavorary ny tenany. Ny fanatitra sarobidy natao teo amin'ny hazofijalian'i Kalvary ihany no ahafahantsika mahatakatra ny tombambidin'ny fanahin'ny olombelona. Nahazo tombony lehibe isika noho ny herin'i Jesosy Kristy nanavotra antsika, ka azontsika atao ny ho afaka amin'ny fanandevozan'ny ota vokatry ny fahalavoan'i Adama.

Tokony hohararaotintsika tsara araka izay azo atao ireo fahaiza-manao sy talenta nankinin'Andriamanitra tamintsika. Na iza na iza mandemy sy manimba ny herim-batana, ny saina, ary ny fitondrantena amin'ny alalan'ny fandikan-dalàna eo amin'ny fomba fisakafo, ny fitafiana, ary ny fandikana ireo lalàna ara-pahasalamana amin'ny endriny rehetra, dia tsy maintsy hampamoahin'Andriamanitra ny amin' ny soa rehetra izay ho azony natao raha nankatô ny lalàna ara-pahasalamana izy ireo (...). Hoy Andriamanitra: "Tsy tampon 'ny tenanareo hianareo." 
Fananan'Andriamanitra ianareo. Ny ain'ny Zanak'Andriamanitra no nanavotana anareo. (...)

Mifono hevi-dalina ny tenin'ny apostoly Paoly hoe: "Koa amin 'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon 'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak 'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin 'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon 'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. " - Rôm. 12:1,2. Tsy afaka manome voninahitra an'Andriamanitra izay olona mandoto ny tenany na ny fanahiny. Tsy maintsy ho masina sy tsy misy tsiny ny fanatitra atolotsika. Izany no fanompoam. pivavahana tsara hataon'ny tsirairay. Sahan ' Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra isika. (...)

 Irin'Andriamanitra hanome voninahitra Azy ny momba antsika manontolo. – L, 90, 1898.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal