Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Velona ho an'ny hafa 

Daty
Zoma 14 August 2026

"Fa tahaka izany, ny Zanak 'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro."- Mat. 20:28

Mofon’aina:
Tonga teto amin'izao tontolo izao i Kristy mba hiaina ho an'ny hafa — tsy mba hotompoina fa hanompo. Raha miezaka miaina tahaka izay niainany ianao, dia milaza amin'izao tontolo izao hoe: "Banjino ilay Lehilahin'i Kalvary." Amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny ohatra no itarihanao ny hafa ho eo amin'ny lalan'ny fahamarinana.

Ny fahotana izay tena ankamamian'ny olona indrindra, ary mampisaraka antsika amin' Andriamanitra sady miteraka aretim-panahy maro ary koa mifindra, dia ny fitiavan-tena. Tsy hiverina eo amin'Andriamanitra isika raha tsy manda tena aloha. Tsy mahefa na inona na inona samirery isika, fa noho ny amin'Andriamanitra izay mampahery antsika kosa dia azontsika atao ny ho velona mba hanasoa ny hafa. (...)

(...)Ny fahafatesana isan'andro amin'ny tena eo amin'ireo raharaha madiniky ny fiainana no hahatonga antsika ho mpandresy. Tokony hanadino ny "izaho" isika ka haniry hanao soa ho an'ny hafa. Hita eo amin'ny maro ny tsy fahampian'ny fitiavana ny hafa. Raha tokony hanatanteraka amim-pahatokiana ny adidiny izy, dia aleony kokoa manome fahafaham-po ny tenany.

Nametrahan'Andriamanitra adidy ny mpanara-dia Azy rehetra mba ho fitahiana ho an'ny hafa eo amin'ny hery miasa mangina avy aminy sy ny fananany. (...) Fifaliana mamy sy fiadanam-po no tsapa rehefa miasa ho an'ny hafa, valisoa mahafa-po izany. Rehefa entanin'ny faniriana ambony sy mendrika hanasoa ny hafa izy, dia hahita fifaliana marina amin'ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo adidy maro eo amin'ny fiainana. Mihoatra noho ny valisoa ara-nofo no ho azo avy amin'izany, satria ny adidy rehetra atao tsy amim-pitiavan-tena dia hitan'ny anjely ary mamirapiratra ao amin'ny bokin'ny fiainana. Tsy misy olona hieritreritra ny tombontsoany manokana any an-danitra na hitady izay mahafinaritra ny tenany, fa izay hahafaly ireo mponin'ny lanitra manodidina azy no hokatsahin'ny reh**etra noho ny fitiavana madio sy marina ao aminy. Raha maniry hianoka ao amin'ny fiarahamonin'ny lanitra any amin'ny tany vaovao isika, dia tsy maintsy tapahin' ireo fitsipiky ny lanitra dieny ety  sahady. - TFC, b. 2, tt. 132, 133. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal