Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Velona ho an'ny hafa 

Daty
Zoma 14 August 2026

"Fa tahaka izany, ny Zanak 'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro."- Mat. 20:28

Mofon’aina:
Tonga teto amin'izao tontolo izao i Kristy mba hiaina ho an'ny hafa — tsy mba hotompoina fa hanompo. Raha miezaka miaina tahaka izay niainany ianao, dia milaza amin'izao tontolo izao hoe: "Banjino ilay Lehilahin'i Kalvary." Amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny ohatra no itarihanao ny hafa ho eo amin'ny lalan'ny fahamarinana.

Ny fahotana izay tena ankamamian'ny olona indrindra, ary mampisaraka antsika amin' Andriamanitra sady miteraka aretim-panahy maro ary koa mifindra, dia ny fitiavan-tena. Tsy hiverina eo amin'Andriamanitra isika raha tsy manda tena aloha. Tsy mahefa na inona na inona samirery isika, fa noho ny amin'Andriamanitra izay mampahery antsika kosa dia azontsika atao ny ho velona mba hanasoa ny hafa. (...)

(...)Ny fahafatesana isan'andro amin'ny tena eo amin'ireo raharaha madiniky ny fiainana no hahatonga antsika ho mpandresy. Tokony hanadino ny "izaho" isika ka haniry hanao soa ho an'ny hafa. Hita eo amin'ny maro ny tsy fahampian'ny fitiavana ny hafa. Raha tokony hanatanteraka amim-pahatokiana ny adidiny izy, dia aleony kokoa manome fahafaham-po ny tenany.

Nametrahan'Andriamanitra adidy ny mpanara-dia Azy rehetra mba ho fitahiana ho an'ny hafa eo amin'ny hery miasa mangina avy aminy sy ny fananany. (...) Fifaliana mamy sy fiadanam-po no tsapa rehefa miasa ho an'ny hafa, valisoa mahafa-po izany. Rehefa entanin'ny faniriana ambony sy mendrika hanasoa ny hafa izy, dia hahita fifaliana marina amin'ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo adidy maro eo amin'ny fiainana. Mihoatra noho ny valisoa ara-nofo no ho azo avy amin'izany, satria ny adidy rehetra atao tsy amim-pitiavan-tena dia hitan'ny anjely ary mamirapiratra ao amin'ny bokin'ny fiainana. Tsy misy olona hieritreritra ny tombontsoany manokana any an-danitra na hitady izay mahafinaritra ny tenany, fa izay hahafaly ireo mponin'ny lanitra manodidina azy no hokatsahin'ny reh**etra noho ny fitiavana madio sy marina ao aminy. Raha maniry hianoka ao amin'ny fiarahamonin'ny lanitra any amin'ny tany vaovao isika, dia tsy maintsy tapahin' ireo fitsipiky ny lanitra dieny ety  sahady. - TFC, b. 2, tt. 132, 133. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal