Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.

Daty
Alarobia 09 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 8:1-5. Inona no mety ho antony nahatonga ny Makedonianina ho feno fahazotoana hanolotra ny fanatiny tamim-pahalalahan-tanana toy Izany?

Azo hazavaina amin'ny fomba maro ny toe-panahy tsara nananan'ny Makedoniana:

  • Voalohany, nanome tamim-pifaliana izy ireo (2 Kor. 8:2). Hoy i Paoly: «fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny haren'ny hitsim-pony [na fahafoizany).» - 2 Kor. 8:2 (jereo ny naoty eny ambany). Ary nolazainy taty aoriana fa: «ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra» - 2 Kor. 9:7. Ny teny grika nadika hoe «amin'ny fifaliana» dia eto ihany no ahitana azy ao amin'ny TV. Misy teny iray fototra amin'io teny io koa hita any an-kafa: «izay mamindra fo dia aoka ho amin'ny fifaliana» - Rôm. 12:8. Hita any amin'ny lahatsoratra hafa ivelan'ny Baiboly koa ireo teny ireo, ka fifaliana sy fahasambarana no heviny. Ao amin'ny 2 Kor. 9:7, ny hoe mpanome amin'ny fifaliana dia midika hoe manome tsy amim-pisalasalana.
  • Faharoa, nanome tamim-pahalalahan-tanana izy ireo (2 Kor. 8:2). Talohan'ny nilazan'i Paoly momba ny fahalalahan-tanan'ny Makedonianina, dia niresaka momba ny «hamafin'ny fahantrany» izy. Ny teny hoe «fahafoizana» (amin'ny teny grika, haplotētos) dia voalaza indroa koa ao amin'ny 2 Kor. 8 sy 9. Hoy i Paoly: «hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin'ny hitsim-po [na fahafoizana]» - 2 Kor. 9:11; izany hoe omena isika mba hahafahantsika manome avy eo. Hoy izy ao amin'ny and. 13: «fahazotoanareo amin'ny fiantrana» - 2 Kor. 9:13. Ato amin'io andalan-teny io, ny fahalalahan-tanana dia fomba iray anambarana ny filazantsaran'i Kristy.
  • Fahatelo, nanome «araka ny zakany» Izy ireo (2 Kor. 8:3). Midika izany fa nanome an-tsitrapo izy ireo. Vao mainka mendri-piderana izany rehefa hita fa tsy avy amin'ny ambim-bavany no nanomezan'izy ireo, fa voafetra dia voafetra mantsy ny fananany. Nampiasain'i Paoly koa io hevitra io hanehoana ny fahavononan'i Titosy hamangy ny Korintianina. Nankany Korinto an-tsitrapo izy (2 Kor. 8:17).
  • Fahefatra, nanome Izy ireo tamin'ny fahatsapana fa tombontsoa manokana ny manome (2 Kor. 8:4). Hita taratra io toe-panahy io amin'ny fangatahan'ny Makedonianina handray anjara amin'ny famoriam-bola. «Sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona masina izany» - 2 Kor. 8:4.
  • Farany, nandray anjara tamin'ny famoriam-bola izy ireo ho toy ny fanehoana fanoloran-tena tanteraka (2 Kor. 8:5). Hoy i Paoly: «Ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra» - 2 Kor. 8:5. Ny fanoloran-tena ho an'ny Tompo dia miteraka fanoloran-tena ho an'ny hafa. Mihoatra noho ny fanampiana ara-bola fotsiny no nataon'ny Makedonianina ho fampandrosoana ny iraka. Izany hoe, ny fanomezana sy ny fahalalahan-tanana dia tsy voafetra amin'ny resa-bola irery ihany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal