Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampahatsiahy ny fonenantsika any an-danitra

Daty
Alahady 21 April 2024

"Hianao dia Hianao irery ihany no Jehôvah ; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin 'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao". — Neh. 9:6.

Mofon'Aina:
Misy hatsaran-tarehy eo amin'ny fidadasiky ny lohasaha, sy eo amin' ireo vatolampy mafy makadiry mitresatresaka. Be voninahitra ireo tendrombohitra avo toa hipaka amin'ny lanitra. Ao koa ireo hazo mijoalajoala misy raviny malefaka; ny ahi-maitso, ny bokom-boninkazo vao hivelatra sy ny voniny mamelana, ireo hazo ao an'ala sy ny zava-manana aina rehetra. Ireo rehetra ireo dia misarika ny saina ho any amin'ilay Andriamanitra lehibe sady velona. Ny tsirairay amin'ny fahaiza-manao ananantsika dia vavolombelona manambara fa misy Andriamanitra velona, ary afaka mianatra lesona sarobidy indrindra momba ny Tompon'ny lanitra isika avy ao amin'ny boky mivelatry ny zavaboary. 
Miitatra ny fahalalan'ny saina eo am-pandinihana izany rehetra izany, ary voasandratra ka manjary mangetaheta to hahafantatra bebe kokoa hatrany ny amin'Andriamanitra sy ny fahalehibeazany. Mifoha ao am-pontsika ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fanajana Azy, ary koa ny fitiavana, ny finoana, ny toky sy ny fiankinana tanteraka amin'Ilay mpanome ny tsara rehetra. (...) 
Tsy ho takatry ny saina ny halehibe sy ny voninahitr'ireo zava-mahatalanjon'ny tranon'Andriamanitra, raha tsy ampifandraisintsika Aminy sy ilay fonenam-pahasambarana efa omaniny ho an'izay tia Azy. (...) Isika miresaka an-kalalahana momba ny tany sy ny firenena samihafa; koa nahoana isika no misalasala ny amin'ny firesahana momba ilay firenen'ny lanitra, sy ireo trano tsy nataon-tanana sady maharitra mandrakizay ao? Zava-dehibe ho antsika mihoatra noho ny toerana na ny firenen-kafa eto ambonin'ny tany io (...) tany tsara lavitra any an-danitra io. Ary nahoana moa isika no tsy tokony hafana fo kokoa sy hisaintsaina ny lanitra eo am-piresahana mikasika ireo fanomezan'Andriamanitra ao amin'ny zavaboary? (...) Natao hampitoetra an'Andriamanitra ao amin'ny fitadidiantsika ireny, hampiala ny fontsika amin'ny zavatra ara-nofo, fa hamatotra azy kosa amin'ny fatoram-pitiavana sy fankasitrahana ny Mpamorona antsika. OHC, t. 250. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal