Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampahatsiahy ny fonenantsika any an-danitra

Daty
Alahady 21 April 2024

"Hianao dia Hianao irery ihany no Jehôvah ; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin 'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao". — Neh. 9:6.

Mofon'Aina:
Misy hatsaran-tarehy eo amin'ny fidadasiky ny lohasaha, sy eo amin' ireo vatolampy mafy makadiry mitresatresaka. Be voninahitra ireo tendrombohitra avo toa hipaka amin'ny lanitra. Ao koa ireo hazo mijoalajoala misy raviny malefaka; ny ahi-maitso, ny bokom-boninkazo vao hivelatra sy ny voniny mamelana, ireo hazo ao an'ala sy ny zava-manana aina rehetra. Ireo rehetra ireo dia misarika ny saina ho any amin'ilay Andriamanitra lehibe sady velona. Ny tsirairay amin'ny fahaiza-manao ananantsika dia vavolombelona manambara fa misy Andriamanitra velona, ary afaka mianatra lesona sarobidy indrindra momba ny Tompon'ny lanitra isika avy ao amin'ny boky mivelatry ny zavaboary. 
Miitatra ny fahalalan'ny saina eo am-pandinihana izany rehetra izany, ary voasandratra ka manjary mangetaheta to hahafantatra bebe kokoa hatrany ny amin'Andriamanitra sy ny fahalehibeazany. Mifoha ao am-pontsika ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fanajana Azy, ary koa ny fitiavana, ny finoana, ny toky sy ny fiankinana tanteraka amin'Ilay mpanome ny tsara rehetra. (...) 
Tsy ho takatry ny saina ny halehibe sy ny voninahitr'ireo zava-mahatalanjon'ny tranon'Andriamanitra, raha tsy ampifandraisintsika Aminy sy ilay fonenam-pahasambarana efa omaniny ho an'izay tia Azy. (...) Isika miresaka an-kalalahana momba ny tany sy ny firenena samihafa; koa nahoana isika no misalasala ny amin'ny firesahana momba ilay firenen'ny lanitra, sy ireo trano tsy nataon-tanana sady maharitra mandrakizay ao? Zava-dehibe ho antsika mihoatra noho ny toerana na ny firenen-kafa eto ambonin'ny tany io (...) tany tsara lavitra any an-danitra io. Ary nahoana moa isika no tsy tokony hafana fo kokoa sy hisaintsaina ny lanitra eo am-piresahana mikasika ireo fanomezan'Andriamanitra ao amin'ny zavaboary? (...) Natao hampitoetra an'Andriamanitra ao amin'ny fitadidiantsika ireny, hampiala ny fontsika amin'ny zavatra ara-nofo, fa hamatotra azy kosa amin'ny fatoram-pitiavana sy fankasitrahana ny Mpamorona antsika. OHC, t. 250. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal