Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hakanton'ny fitoviana amin'i Kristy

Daty
Talata 23 April 2024

"Fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra." - Tit. 2:10.

Mofon’Aina:
Izay rehetra manonona ny anaran'i Kristy dia tokony hanome hasina ny fampianaran'i Kristy Mpamonjy antsika amin'ny alalan'ny fiainana voalamina tsara, amin'ny fomba firesaka feno fahamasinana, ary ny fananana fanahy malemy sady miadana (...). Raha manana izany ianao dia hahita fitia amin'Andriamanitra sy ny olona.

Ny teny atao tsy amim-piheverana dia mandratra sy manafintohina fanahy, ary ny ratra lalina indrindra dia mihatra amin'ny fanahin'ilay miteny. Ny fanomezan'i Kristy, ilay firavaky ny fanahy malemy sady miadana, dia voalazan'Ilay manana fahefana sy tsy mety diso fa tena lafo vidy tokoa. (...) Na manao ahoana na manao ahoana mety ho fanombanan'ny olona antsika, raha manao io firavaka io isika, dia mitondra ny mariky ny maha-mpianatr'i Kristy antsika. Manan-danja amin'ny Avo Indrindra isika satria lafo vidy eo imasony tokoa ny firavaka anaovantsika. Tokony hokatsahina izay hahazoana io vatosoa sarobidy io. (...)

Ho tonga amin'ny fanahy tsirairay izay hanetsika ny fahatezerany, ka raha tsy eo ambany fifehezan'Andriamanitra tanteraka ianao, dia hisamboaravoara eo anatrehan'ireny. Kanefa mampitony ny fahasorenan'ny fanahy, mifehy ny lela, ary mampilefitra ny tena manontolo ho eo ambany fanapahan'Andriamanitra ny halemem-panahin'i Kristy. Toy izany no ianarantsika ny fomba hahazakana ny fanakianana ataon'ny hafa. Hitsaratsara antsika ny olona, kanefa ny firavaka sarobidin'ny fanahy malemy sady miadana dia mampianatra antsika hahazaka sy hamindra fo amin'ireo faingam-bava sy manao teny tsy voahevitra. Ny toe-tsaina ratsy aseho rehetra dia azo antoka fa hanetsika ny demonian'ny firehetam-po ao amin'ny fo tsy voambina. Tsy ilaina hamafisina ny hatezeram-poana, fa hasiana lamboridy. Pitik'afo handrehitra ny toetra maha-olombelona tsy voafolaka izany. Fadio ny manao teny manetsika ady. Aleo iharan'ny ratsy toy izay manao ratsy. Takin'Andriamanitra amin'ny mpanara-dia Azy tsirairay ny hihavanan'izy ireo amin'ny olona rehetra, raha azo atao. (...)

Aoka hitovy amin'i Kristy isika. Andeha isika hikely aina hahatonga ny fiainantsika ho araka izay nokendren'i Kristy, feno ny hanitry ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, feno ny Fanahin'i Kristy mihitsy. — OHC, t. 274.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal