Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hakanton'ny fitoviana amin'i Kristy

Daty
Talata 23 April 2024

"Fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra." - Tit. 2:10.

Mofon’Aina:
Izay rehetra manonona ny anaran'i Kristy dia tokony hanome hasina ny fampianaran'i Kristy Mpamonjy antsika amin'ny alalan'ny fiainana voalamina tsara, amin'ny fomba firesaka feno fahamasinana, ary ny fananana fanahy malemy sady miadana (...). Raha manana izany ianao dia hahita fitia amin'Andriamanitra sy ny olona.

Ny teny atao tsy amim-piheverana dia mandratra sy manafintohina fanahy, ary ny ratra lalina indrindra dia mihatra amin'ny fanahin'ilay miteny. Ny fanomezan'i Kristy, ilay firavaky ny fanahy malemy sady miadana, dia voalazan'Ilay manana fahefana sy tsy mety diso fa tena lafo vidy tokoa. (...) Na manao ahoana na manao ahoana mety ho fanombanan'ny olona antsika, raha manao io firavaka io isika, dia mitondra ny mariky ny maha-mpianatr'i Kristy antsika. Manan-danja amin'ny Avo Indrindra isika satria lafo vidy eo imasony tokoa ny firavaka anaovantsika. Tokony hokatsahina izay hahazoana io vatosoa sarobidy io. (...)

Ho tonga amin'ny fanahy tsirairay izay hanetsika ny fahatezerany, ka raha tsy eo ambany fifehezan'Andriamanitra tanteraka ianao, dia hisamboaravoara eo anatrehan'ireny. Kanefa mampitony ny fahasorenan'ny fanahy, mifehy ny lela, ary mampilefitra ny tena manontolo ho eo ambany fanapahan'Andriamanitra ny halemem-panahin'i Kristy. Toy izany no ianarantsika ny fomba hahazakana ny fanakianana ataon'ny hafa. Hitsaratsara antsika ny olona, kanefa ny firavaka sarobidin'ny fanahy malemy sady miadana dia mampianatra antsika hahazaka sy hamindra fo amin'ireo faingam-bava sy manao teny tsy voahevitra. Ny toe-tsaina ratsy aseho rehetra dia azo antoka fa hanetsika ny demonian'ny firehetam-po ao amin'ny fo tsy voambina. Tsy ilaina hamafisina ny hatezeram-poana, fa hasiana lamboridy. Pitik'afo handrehitra ny toetra maha-olombelona tsy voafolaka izany. Fadio ny manao teny manetsika ady. Aleo iharan'ny ratsy toy izay manao ratsy. Takin'Andriamanitra amin'ny mpanara-dia Azy tsirairay ny hihavanan'izy ireo amin'ny olona rehetra, raha azo atao. (...)

Aoka hitovy amin'i Kristy isika. Andeha isika hikely aina hahatonga ny fiainantsika ho araka izay nokendren'i Kristy, feno ny hanitry ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika, feno ny Fanahin'i Kristy mihitsy. — OHC, t. 274.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal