"Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran 'ny Zanak'ondry sy ny teny fiiazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza."- Apôk. 12:11.
Mofon’aina:
Ny Mpamonjy dia mijery amim-pahalianana lalina ny olombelona rehetra. Rehefa niakatra ho any amin'ny Ray Izy, dia tsy namela ny mpanaraka Azy hiraviravy tànana. Nandritra ny fiainany teto an-tany dia nandresy ho azy ireo Izy, ary izy ireo koa dia tokony handresy amin'ny Heriny. Samy manana fizahan-toetra hatrehina ny rehetra. Misy ireo toetra araka ny nofo taloha izay tsy maintsy iadiana; kanefa ireo toetra ireo dia tokony hampileferina eo amin'i Jesôsy Kristy, mba hahafahantsika mijoro tsara eo anatrehan'Andriamanitra. (...)
Ny satroboninahitra dia hapetraka eo an-dohan'ireo rehetra izay nandresy ny fakam-panahy tamin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy. (...) Ny fanahy izay manala baraka an'Andriamanitra amin'ny teniny sy ny asany, izay tsy manaiky an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany, dia mipetraka eo amin'ny toeran'ny resy. (...) I Jesôsy no Mpanampy anao. Tsy misy olona mahafantatra tsara ny toetranao tahaka Azy. (...) Miomana ho amin'ny flainana mandrakizay isika. Tsy ho ela, dia hisy ny fanadinana lehibe, izay tsy maintsy hisedran'ny fanontaniana apetrak’Andriamanitra ny fanahy tsirairay maniry ny hanana toetra kristianina tanteraka. Izao izany fanontaniana izany: Efa naneho ohatra tsara azon'ny hafa arahina ve ianao? Moa ve ianao nitandrina ireo fanahy izay tsy maintsy hampamoahina? Andrasan'ny mponin'ny lanitra fatratra ny hahombiazanao amin'izany fizahan-toetra izany. (...)
Andriamanitra dia mijery amim-pahalianana ny fanahy tsirairay izay miezaka. Tia ny olona rehetra Izy. Raha tsy izany, dia tsy ho natolony ny Zanany Lahitokana mba ho faty ho antsika.(...)
(...) Aoka isika hahery amin'ny finoana fa misy sandry azontsika iankinanana, ary raha mbola miankina amin'ny herin'i Kristy isika dia tsy hanala-baraka an'Andriamanitra mihitsy. Zahan-toetra isika amin'izao fotoana izao, nefa eo anatrehan'ny fitsapana tsirairay, dia andeha hasehontsika amin'ny olona rehetra fa miandany amin'i Jehôvah isika.- Ms, 11; 1911.