Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Afaka mandresy amim-boninahitra.

Daty
Talata 29 September 2026

"Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokoa Izaho efa naharesy izao tontolo Jao. 16:33.

Mofon’aina:
Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo."- Jao. 15:11. Asa feno fifaliana ny fiezahana handresy ny fahotana. Midika ho fifandraisana amin'ny lanitra izany. Azonao atao ny manatona an'Andriarnanitra anaim-bavaka; afaka mangataka ianao ary hahazo. Azonao atao ny mino sy manankina ny fanahinao malemy amin'i Kristy. Midika izany fa afaka manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ny olombelona. (...)- Ms 19, 1909.

Andriamanitra dia mandefa ny fizahan-toetra mba hahitana raha toa isika hijoro manoloana ny fakam-panahy. (...). Samy manana toetra miafina ny tsirairay, tsy maintsy hiharihary izany rehefa miseho ny fitsapana. Avelan'Andriamanitra hozahan-toetra ireo mihevi-tena ho zavatra mba hahatakarany fa malemy izy. Avelany hanafotra ny fanahintsika ny rano lalin'ny fahoriana mba hahaIalantsika Azy sy i Jesôsy Kristy zay nirahiny, mba hananantsika faniriana lalina ny hodiovina amin'ny fahalotoana rehetra ka hadio sy masina ary feno fifaliana kokoa aorian'ny fitsapana isika. Matetika isika no miditra ao amin'ny lafaoron'ny fahoriana miaraka amin'ny fanahintsika maizin'ny fitiavan-tena; nefa raha maharitra amin'ny fizahan-toetra mahamay isika, dia hivoaka avy ao haneho taratra ny toetran'Andriamanitra. Rehefa tanteraka ny fikasany ao anatin'ny fahoriana, "hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ray mitataovovonana."- Sal. 37:6.

" Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy."- Mar. 14:38. Miambena amin'ny famelezana mangingina ataon'ny fahavalo, miambena amin'ireo fahazaran-dratsy fahiny sy ny fironana maha-olona, fandrao hifehy anao ireo. Tohero izany ary miambena. Tandremo ny eritreritra sy ny planinao, fandrao feno fitiavan-tena. Ambeno fatratra ireo fanahy izay novidin'i Kristy tamin'ny ràny, araraoty ny tombontsoa hanaovan-tsoa ho azy ireny. Misy fotoan-tsarotra manoloana antsika. Mitaky finoana maharitra ny fiatrehana ireo fitsapana sy fakam-panahy ary ny fanatanterahana ny adidy. Azontsika atao anefa ny handresy amim-boninahitra; tsy misy fanahy miambina sy mivavaka ary mino ka ho tratry ny fandriky ny fahavalo.- Ms, 126, 1907. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal