Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny valisoan'ny mpandresy.

Daty
Alarobia 30 September 2026

"Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako."- Apôk. 21:7. 
T'mahatsapa isika fa akaiky ny fiafaran'ny zavatra rehetra. Tsy tsapantsika araka ny tokony ho izy ny tokony handresentsika isan'andro sy ny tokony hahazoantsika antoka ny amin'ilay valisoa mandrakizay. Irea izay maharesy ny fakam-panahy eto amin'izao tontolo izao (...) no mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra. Efa nisy corona natao ho antsika, handray izany ve isika? (...)

Mitaky vavaka sy finoana ary fahatakarana ny fahatongavana ho mpiombona amm'ny fomban'Andriamanitra. Kanefa rehefa miaina izany fanandramana izany isika, dia tsy tokony hihazona samirery ny tombontsoa avy aminy, fa haneho amin'ireo manodidina antsika fa azon'ny rehetra atao ny ho mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra. Azon'ny rehetra atao ny ho mpandresy. Andeha isika hanapa-kevitra ny ho mpandresy. Andeha isika hikatsaka bebe kokoa ny fahasoavan'Andriamanitra. (…) Aoka isika tsy ho variana amin'ireo zavatra eto amin'izao tontolo izao, fa haneho kosa ny fahavononantsika ny ho tonga mpandresy isan'andro sy isan'ora. (...)

Andeha isika hitory an'i Kristy sy ny fahamarinana any arnin'izay rehetra alehantsika, ary hanome voninahitra an'Andriamanitra. Ry anadahy sy rahavaviko, tian'i Jesôsy ny mivavaka ho anao. Mifikira Aminy, miezaha ny ho mpandresy, ka hiarahaba anao any amin'ny tananan'Andriamanitra ny Mpamonjy (...). Hanao ahoana re ny hafaliana rehefa hapetraky ny Zanak'ondrin'Andriamanitra eo an-dohan'ny voavotra ny satroboninahitry ny fandresena! Tsy hianjadian'ny fakam-panahy intsony ianao, ary tsy hanota intsony. Ho hitanao amin'ny hatsaran-Wireluny ny Mpanjaka. Ary ireo rehetra nampianao ho tonga any an-danitra dia ho hitanao any. Hamihina anao izy ireo ary hankasitraka izay nataonao ho azy. (...) Andeha isika handroso ao amin'ny herin' ny Tsitoha, ka hisaintsaina ny fifaliana eo anoloantsika rehefa ho hitantsika any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ny Tavany, ary tsy hiala any intsony isika. (...) Andeha isika hitondra ny fangatahantsika eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra amin'ny fotoan'ny fakam-panahy, ary hifikitra amin'ny Heriny amim-pinoana.- Ms 49, 1909. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal