Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ankohonan'Andriamanitra.

Daty
Zoma 02 October 2026

"Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan Andriamanitra, natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra," - Efes. 2:19,20.

Mofon’aina:    
Iasan'ny Tompo Jesôsy ny fon'ny olombelona ka anehoany famindrampo sy fahasoavana lehibe. Misy fanovana mahagaga ataony, hany ka manda mafy tsy hain'ny fitaka na ny hafetseny tohaina no fahitan'i Satana izany (...). Talanjona sy feno hafaliana ny anjelin'ny lanitra, ny serafima sy ny kerobima, dia ireo hery nirahina inara-miasa amin'ny olona, ea am-pitazanana ny olombelona lavo, izay efa zanaky ny fahatezerana, kanefa noho ny fanofanan'i Kristy dia manjary manam-pitoviana amin'Andriamanitra ary tonga zanany lahy sy zanany vavy sady manana anjara lehibe eo amin'ny raharaha sy ny fifalian'ny lanitra. TMGW, t. 18.

Nomen'ny Tompo fahafaha-manao sy fitahiana ny fiangonany mba hahafahany maneho amin'izao tontolo izao ny maha ampy ny fahasoavany, ary koa mba ho tanteraka ao Aminy ny fiangonany, izay fanehoana tsy mitsahatra ilay tontolo hafa, dia ilay tontolo mandrakizay, sy fanehoana ireo !alarm izay ambony lavitra noho ny lalana eto an-tarty. Tokony ho tempoly voaorina araka ny endrik'Andriamanitra ny fiangonany. (...)

Ny fiangonana, izay mitafy ny fahamarinan'i Kristy, dia trano firaketany, ka ao no tokony hahitana mazava sy amin'ny fahafenoany ny haren'ny famindrampony sy ny fitiavany ary ny fahasoavany. Fahagagana ho an'ny mponin'ny lanitra, ary fifaliana lehibe ho azy ireo ny fanambaran'i Kristy ao amin'ilay vavaka nataony ho an'ny mpianany, fa lehibe tahaka ny fitiavan'ny Ray Azy, Izay Zanaka Lahitokan'Andriamanitra, ny fitiavan'ny Ray antsika, ary koa hiaraka Aminy any amin'izay itoerany isika ka ho iray amin'i Kristy sy ny Ray mandrakizay. Toy ny andry afo miaro ny fiangonany amin'ny herin'ny maizina ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina, izay maro karazana sy mtavosa. Ho an'i Kristy, ny vahoakany ao anatin'ny fahadiovana sy fahatanterahana tsy misy pentina no valin-kasasarany, izay niaretany fahoriana, fahafaham-baraka, izay tsy nitsitsiany fitiavana, ary fanehoana ny voninahiny. 1 Kristy no ivo izay iaingan'ny tara-pahazavana be voninahitra rehetra. —TMGW, tt. 17-19. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal