"Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao." - Apôk. 15:4.
Mofon’aina
Tian'i Kristy ho takatsika fa iray vatsy, iray aina isika. Maty ho an'ny olona rehetra Ilay Andriamanitra Mpanavotra (...). Iray ihany isika ao amin'i Kristy Jesosy. Miara-misondrotra eo amin'ny laharana ambony isika eo am-panononana ilay anarana tokana hoe: "Rainay Izay any an-danitra". Tonga isan'ny ankohonan'ny mpanjaka isika, dia zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra. Marnpiray ny fontsika ireo foto-kevitry ny fahamarinany, na ny manan-karena na ny mahantra, na ny ambony na ny ambany.
Rehefa miasa ao am-pon'ny olombelona ny Fanahy Masina, dia mitsahatra avokoa ny fimonomononana sy ny fifampiampangana rehetra. Hanazava ireo efitrefitry ny saina sy ny fo ny tara-pahazavana mamiratry ny Masoandron'ny Fahamarinana. Tsy hisy fiavahana eo amin'ny manan-karena sy ny mahantra, na ny fihodirana, rehefa miara-miankohoka amin'Andriamanitra isika. Ho foana avokoa rehefa mety ho fitsaratsarana. Mpiray tampo isika rehefa manatona an' Andriarnanitra. Vahiny sy mpivahiny miandrandra tany tsara lanitra isika, dia ny any an-danitra. Any, tsy hisy intsony mandrakizay ny fireharehana, ny fiampangana, na ny fitaka. Ary amin'ny tava tsy misarona, "ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa."
Mety ho tsotra dia tsotra ny toeram-pivavahantsika, nefa tsy hoe tsy hitan'Andriamanitra izany. Raha mivavaka amin'ny fanahy syny fahamarinana ary fahamarinana isika, dia ho tonga vavahadin'ny lanitra ho antsika mihitsy io toerana. io. Rehefa averimberina ireo lesona momba ny asa mahatalanjon'Andriamanitra, ka miseho amin'ny alalan'ny vavaka sy ny hira ny fankasitrahan'ny fo, dia miara-mihira, midera sy misaotra an'Andriamanitra amintsika ireo anjely any an-danitra. Mandrava ny herin'i Satana izany, mandroaka ny fimonomononana sy ny fitarainana, ka tsy tafatoetra ao i Satana.
Mampianatra antsika Andriamanitra fa tokony hivory ao an-tranony isika mba hikolokolo ireo toetran' ny fitiavana tonga lafatra. Tay izany no hiomanan' ireo mponina eto an-tany ho any amin'ireo fitoerana izay omanin'i Kristy any an-danitra ho an' izay tia Azy. — RH, 24 Oktôbra 1899.