Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mendrika ny fitoerana any an-danitra

Daty
Alatsinainy 05 October 2026

"Mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, ny izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy." - Efes. 5:27.

Mofon’aina:
Ho avy tsy ho ela eny arnin'ny rahon'ny lanitra i Kristy, ary tsy rnaintsy miomana ny hihaona Arniny isika, ka tsy hisy petimpentina na fiketronana na izay toy izany. (...) Tsy maintsy miasa ao am-pontsika ny herin'Andriamanitra manova. Tsy maintsy mandinika ny fiainan'i Kristy isika ary manahaka ny ohatra masina asehony. Tsy maintsy mibanjina ny fahatanterahan-toetrany isika ary hovana hitovy endriny Aminy. Tsy hisy olona hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra raha tsy efa nampilefitra ny sitrapony ho eo ambanin'ny sitrapon'i Kristy.

Mifikitra loatra amin'ny zavatry ny tany ireo izay mitonona ho Kristianina. Zatra ireo zavatra tsy misy vidiny ny fijeriny, ary ny sainy mitaredretra eo amin'ny zavatra hita maso. Marivo sy tsy mahafa-po ny fanandramany ara-pivavahana ankapobeny, ary ny teniny dia maivan-danj a. Ahoana no ahafahany maneho ny endrik'i Kristy? Ahoana no hanehoany taratra ny fahazavan'llay Masoandron'ny Fahamarinana? (...)

Tsy misy fahotana na fahalotoana any an-danitra; ary raha tiantsika ny hiaina ao anatin'izany rivo-piainana izany, sy hibanjina ny voninahitr'i Kristy, dia tsy maintsy madio am-po isika, manana fahatanterahan-toetra amin'ny alalan'ny fahasoavany sy ny fahamarinany. Tsy tokony ho variana loatra amin'ny fahafinaretana sy ny fialam-boly isika, fa hifantoka amin'izay hahatonga antsika ho mendrika fitoerana be voninahitra nomanin'i Kristy ho antsika. (...

 Ho avy tsy ho ela amim-boninahitra i Kristy; ary rehefa hiseho ny fahalehibiazany, dia haniry ny hahazo ny fankasitrahany izao tontolo izao. Samy haniry ny hanana anjara arnin'ireo fitoerana any an-danitra isika rehetra; nefa ireo izay tsy manaiky an'i Kristy ankehitriny amin'ny teny, amin'ny fiainana, ary amin'ny toetra, dia tsy afaka hanantena ny heken'i Kristy eo anatrehan'ny Rainy sy ny anjely masina amin'izany fotoana izany. (...

 Endrey ny fahasambaran'ireo izay nanomana ny tenany ho amin'ny fanasan'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, sy mitafy ny fahamarinan'i Kristy ary maneho ny endriny kanto! (...) I-iamafa ny ranomaso rehetra amin'ny masony Andriamanitra, ary hanana fiainana mifamatra amin'ny an'Andriamanitra izy ireo. — RH, 5 pesambra 1912. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal