"Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany." - Gal. 6:1.
Mofon’aina:
Andriamanitra dia fitiavana, Andriamanitra dia fiainana. Fahafahana ananan'Andriamanitra manokana ny manavotra, ny manorina indray ary ny mamerina amin'ny laoniny. Talohan'ny nanorenana izao tontolo izao no efa natolotra ho faty ny Zanak'Andriamanitra, ary ny fanavotana no zava-miafina izay "voàfina hatry ny fony fahagola" – Rôm. 16:25. Ny ota kosa dia tsy hay hazavaina, ary tsy misy antony azo anamarinana ny fisiany. Tsy misy fanahy mahalala ny maha Andriamanitra an'Andriamanitra raha tsy mbola hitany eo ambanin'ny taratry ny hazofijalian'i Kalvary fa mpanota ny tenany. Rehefa ao anatin'ny olana lehibe kosa izy ka mitodika any 'amin'Ilay Mpamonjy mpamela heloka, dia maneho ny Tenany aminy Andriamanitra, amin'ny maha Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana Azy. Ny asan'i Kristy dia ny manavotra, ny mamerina amin'ny laoniny, ny mitady sy mamonjy ny very. Raha miray amin'i Kristy isika, dia ho mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra ary ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra. (...) Raha misy rahalahy na rahavavy lavo, dia tsy tokony hiray tendro amin'ny fahavalo isika amin'ny fanimbana sy ny fandringanana, fa hiara-miasa amin'i Kristy kosa hanarina ilay olona amim-pahalemem-panahy. (...)
Noho isika mpanota indrindra no ananantsika fahasahiana hanambara Azy ho Mpamonjy antsika. Koa aoka isika hitandrina andrao ny fomba fitondrantsika ny mpaniasia toa milaza aminy fa tsy mila fanavotana isika. Aoka isika tsy hiampanga na hanameloka na hanimba ny fiainan'ny hafa, toy ny hoe tsy manan-kilema isika. (...) Tsy manome hirika ahazoan'i Satana mandresy i Jesosy amin'ny fampisehoana ny ratsy indrindra na amin'ny fampiharihariana ny fahalementsika amin'ny fahavalontsika. – RH, 26 Febroary 1895.
Tonga hitondra famonjena ho an'ny olona rehetra i Kristy (...) Ho an'ireo izay tena mila ny famonjeny indrindra no niaretany ny mafy. Arakaraka ny nitadiavan'izy ireo fiovam-po, no nahalalina ny fiahiany azy, nahabe ny fangorahany azy, sy niasany ho azy tamin-kafanam-po. – TFC, b. 5, t. 603.