Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lanitra lafo vidy, omena maimaimpoana

Daty
Alarobia 24 April 2024

"Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy." — Lio. 14:27.

Mofon’Aina:
Marina loatra fa tsy misafidy ny hanaraka ny lalana kristianina ny ankamaroan'ireo manana fahaiza-manao sy talenta. Sarobidy loatra ye ny talentan'izy ireo sy ny fahaiza-manao ananany ka tsy hatokana ho an'Ilay nanome izany, dia ny Tompon'ny lanitra sy ny tany? (...) Maro no ho mpanara-dia an'i Kristy raha nidina avy teo amin'ny hazo fijaliana Izy ka niseho tamin'izy ireo tamin'ny fomba aniriany izany. Raha tonga niaraka tamin'ny harena sy ny zava-mahafinaritra Izy dia maro no ho nandray Azy tamim-pifaliana sy nihazakazaka mba hanome satroboninahitra Azy ho Tompon'ny rehetra. Raha nailiny ny fanetren-tenany sy ny fahoriany ka nihiaka Izy nanao hoe: "Raha misy maniry hanaraka Ahy, aoka izy hanao izay hahafaly ny tenany sy hifaly amin'izao tontolo izao dia ho mpianatro izy" dia maro no ho nino Azy.

Saingy tsy hanatona antsika afa-tsy amin'ny toetra malemy fanahy sy manetry tena nohomboana tamin'ny hazo fijaliana i Jesôsy , Ilay voatahy. Tokony handray anjara amin'ny fandavan-tenany sy amin'ireo fahoriany ety isika raha maniry ny handray ny satroboninahitra rahatrizay. (...)

(...) Tsy ampy ve ny nandaozan'i Jesôsy ny fahasambarana sy ny voninahitry ny lanitra ka niaretany ny fiainam-pahantrana sy ny fahoriana lalina ary ny nahafatesany tamin'ny fahafatesana mahatsiravina sy mahamenatra mba hanomezana antsika ny fifalian'ny fahamasinan'ny lanitra? Ary azo heverina ve fa isika izay tsinontsinona eo anatrehan'ny fahamboniana lehibe sy fitiavana lehibe tokoa no hitady anjara tsara kokoa eto amin'ity fiainana ity ankoatra izay nomena ilay Mpanavotra antsika?

Ho mora manao ahoana ny lalana mankany an-danitra raha tsy misy fandavan-tena na hazo fijaliana! Ahoana no ho fihazakazak'ireo tia an'izao tontolo izao ary ahoana no hahamaro ireo mpihatsaravelatsihy eny amin'ny lalana! Misaora an'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana sy ny fandavan-tena. Ny fahafaham-baraka sy ny henatra izay niaretan'ny Mpamonjintsika ho antsika dia tsy mahamenatra ireo izay novonjena tamin'ny alalan'ny rany. Omena maimaimpoana tokoa ilay lanitra lafo vidy!— OHC, t. 288. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal