Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lanitra lafo vidy, omena maimaimpoana

Daty
Alarobia 24 April 2024

"Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy." — Lio. 14:27.

Mofon’Aina:
Marina loatra fa tsy misafidy ny hanaraka ny lalana kristianina ny ankamaroan'ireo manana fahaiza-manao sy talenta. Sarobidy loatra ye ny talentan'izy ireo sy ny fahaiza-manao ananany ka tsy hatokana ho an'Ilay nanome izany, dia ny Tompon'ny lanitra sy ny tany? (...) Maro no ho mpanara-dia an'i Kristy raha nidina avy teo amin'ny hazo fijaliana Izy ka niseho tamin'izy ireo tamin'ny fomba aniriany izany. Raha tonga niaraka tamin'ny harena sy ny zava-mahafinaritra Izy dia maro no ho nandray Azy tamim-pifaliana sy nihazakazaka mba hanome satroboninahitra Azy ho Tompon'ny rehetra. Raha nailiny ny fanetren-tenany sy ny fahoriany ka nihiaka Izy nanao hoe: "Raha misy maniry hanaraka Ahy, aoka izy hanao izay hahafaly ny tenany sy hifaly amin'izao tontolo izao dia ho mpianatro izy" dia maro no ho nino Azy.

Saingy tsy hanatona antsika afa-tsy amin'ny toetra malemy fanahy sy manetry tena nohomboana tamin'ny hazo fijaliana i Jesôsy , Ilay voatahy. Tokony handray anjara amin'ny fandavan-tenany sy amin'ireo fahoriany ety isika raha maniry ny handray ny satroboninahitra rahatrizay. (...)

(...) Tsy ampy ve ny nandaozan'i Jesôsy ny fahasambarana sy ny voninahitry ny lanitra ka niaretany ny fiainam-pahantrana sy ny fahoriana lalina ary ny nahafatesany tamin'ny fahafatesana mahatsiravina sy mahamenatra mba hanomezana antsika ny fifalian'ny fahamasinan'ny lanitra? Ary azo heverina ve fa isika izay tsinontsinona eo anatrehan'ny fahamboniana lehibe sy fitiavana lehibe tokoa no hitady anjara tsara kokoa eto amin'ity fiainana ity ankoatra izay nomena ilay Mpanavotra antsika?

Ho mora manao ahoana ny lalana mankany an-danitra raha tsy misy fandavan-tena na hazo fijaliana! Ahoana no ho fihazakazak'ireo tia an'izao tontolo izao ary ahoana no hahamaro ireo mpihatsaravelatsihy eny amin'ny lalana! Misaora an'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana sy ny fandavan-tena. Ny fahafaham-baraka sy ny henatra izay niaretan'ny Mpamonjintsika ho antsika dia tsy mahamenatra ireo izay novonjena tamin'ny alalan'ny rany. Omena maimaimpoana tokoa ilay lanitra lafo vidy!— OHC, t. 288. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (13)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal