"Mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak 'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao." - Fil. 2:15.
Mofon'aina:
Nandritra ny vanim-potoana rehetra dia ny «Fanahin'i Kristy tao anatiny» no nahatonga ny zanak'Andriamanitra marina ho fahazavana teo anivon'ny vahoaka tamin'ny androny. I Josefa no mpitondra fahazavana tao Egypta. Tamin'ny alalan'ny fahadiovany, ny hatsaram-panahiny, ary ny fitiavany ny rainy, dia naneho an'i Kristy teo anivon'ny firenena mpanompo sampy izy. Raha niala tany Egypta ho any amin'ny Tany nampanantenaina ny Israelita, dia ireo izay nanana fo marina sy mahitsy teo aminy no tonga fahazavana ho an'ny firenena manodidina. (...) Ary noho i Daniela sy ireo namany tany Babylona, ary koa noho i Mordekay tany Persia, dia nisy tara-pahazavana niparasaka teo anivon'ny haizina tao an-dapan'ny mpanj aka.
Toy izany koa, natao ho mpitondra fahazavana eo amin'ny lalana mankany an-danitra ny mpianatr'i Kristy; amin'ny alalan'izy ireo no ampisehoana ny famindrampo sy ny fahatsaran'ny Ray amin'izao tontolo izao izay voasaron'ny haizin'ny tsy fahalalana tsara an'Andriamanitra. (...) Ny fitiavan'Andriamanitra hita taratra eo amin'ny fo, ny firindrana misy eo amin'ny fiainana kristianina, dia ahitan'ny olon'izao tontolo izao indray miserana ny lanitra. (...) Manara-maso ny voa entin'ireo izay mitonona ho Kristianina izao tontolo izao. Manan-jo hanantena hahita fandavan-tena sy fahafoizan-tena eo amin'ireo izay milaza ho mino sy manana ny fahamarinana izy ireo. (...)
Drafitr'Andriamanitra ny anehoana ny asany amin'izao tontolo izao ho miavaka sy masina. Tiany hasehon'ny vahoakany amin'ny alalan'ny fiainany ny fahambonian'ny fivavahana kristianina mihoatra noho ny fitiavana izao tontolo izao. (...) Tsy maintsy maneho ny fahadiovan-toetra isika amin'ny lafiny rehetra, mba hanehoana fa ny fahamarinana noraisina sy nankatoavintsika dia mahatonga ny mpandray azy ho zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra, zanaky ny Mpanjakan'ny lanitra, ary araka izany dia marina sy mahatoky izy ireo eo amin'ny fifandraisany amin'ny hafa, ary azo itokiana na amin'ny zava-bidika na amin'ny zava-dehibe eo amin'ny fiainana. - RH, 27 Jolay 1905.