Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Namantslka ny olona rehetra

Daty
Alatsinainy 09 November 2026

"Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany." - Efes. 3:8.

Mofon'aina: 
Ao am-pon'ny ankamaroan'ny olona dia zara raha misy fanajana ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Miseho amin'ny lafiny rehetra ny tsy finoana an'Andriamanitra sy ny Teniny. (...) Raha mbola manjaka eto amin'izao tontolo izao izany toe-javatra izany, dia tsy tokony hirindrin-trano isika ka hieritreritra fa ny fanekena ny fahamarinana fotsiny no zava-takina amintsika. Nanolotra ny tenany ho fanatitra noho ny fahotan'izao tontolo izao i Kristy. (...) Raha ao am-ponao ny haren'ny fahasoavan'i Kristy, dia tsy hohazoninao ho anao samirery izany, satria miankina amin'ny fahalalaria ny lalam-pamonjena izay azonao zaraina no hahavoavonjy ny fanahy maro. Mety tsy hanatona anao izy ireny hilaza ny fanirian'ny fony, nefa maro no mosarena, tsy afa-po, ary ny hahazoan'izy ireo ny harem-pahasoavany no nahafatesan'i Kristy. - RH, 6 Janoary 1910.

Te hifandray amin'ireo izay mila ny fanampianao ye ianao? Hararaotinao ye ny fotoana sy ny fomba rehetra hahazoana fanahy ho an'i Kristy? Mety hilaza ianao hoe: «Tsy pasitora aho, koa tsy afaka mitory ny fahamarinana.»

Mety tsy ho pasitora tokoa ianao, araka ny famaritan'ny besinimaro azy, mety tsy hantsoina handaha-teny eny amin'ny polipitra mihitsy, nefa azonao atao ny ho mpanompon'i Kristy na izany aza. Raha hainao ny manararaotra ny fotoana hiresahana amin'ny fanahy iray, dia hiteny amin'ny alalanao Andriamanitra mba hamabo fo ho Azy. (...) Manaova teny kely etsy sy eroa manandratra ny Mpamonjy eo anatrehan'ny olona sy mitarika azy ho amin'ny tanjona ambony sy masina kokoa. - RH, 6 Janoary 1910.

Ny fitomboana amin'ny fahasoavana dia miseho amin'ny alalan'ny fitomboan'ny fahaizana miasa ho an'Andriamanitra. Hahay hivavaka sy hiteny ho an'ny Tompo ireo izay mianatra ao amin'ny sekolin'i Kristy. Tsapany fa tsy ampy fahendrena sy fanandramana izy, koa miofana any amin'Ilay Mpampianatra lehibe izy satria fantany fa izany ihany no fomba hahatrarany ny fahatanterahana eo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Dia mihamazava isan'andro ny fahatakarany ny zava-panahy. (...) Mamoa be izy satria miray amin'i Kristy. - RH, 29 Avrily 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal