"(...) Fa izahay dia natao ho fizahan'izao rehetra izao, na anjely na olona." - 1 Kôr 4:9.
Mofon'aina:
Fanirian' Andriamanitra ny hanehoan' ny zanany am in' izao tontolo izao ny hevitry ny hoe «niara-napetraka any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy, mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben>ny haren>ny fahasoavany amin>ny fahamoram-pariahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy» Efes. 2:6,7. Izany fahamoram-panahy izany no antenainy ho hita eo amin'ny fifandraisantsika samy isika. (...)
Tian'Andriamanitra ny zanany hifampitondra tsara amin'ny maha samy novidina tamin'ny ran'i Kristy azy ireo. Raha manao izany izy ireo, dia ho fantany ny hevitry ny hoe niara-napetraka any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy. Mila hamasinina amin'ny vainafo avy amin'ny alitaran'Andriamanitra ny molotsika, dia hanao teny manandratra, manadio, ary mahamendrika isika, teny izay feno ny hanitry ny fahatsaran'i Kristy, hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana.
Tian'i Kristy ho tahaka Azy ny mpianany, satria faniriany ny haneho amin'ny fomba marina ny endriny sy ny toetrany eo anivon'ny ankohonana, ny fiangonana, ary eo amin'izao tontolo izao. Tiany hitandrina ny tenantsika isika. Ho hitantsika amin' izany fa manan-javatra atao tokoa isika. (...) Mila manambara ny herin'ny fahasoavan'ny lanitra isika.
Nefa moa ve tsy tahaka ny tsilo ny ankamaroany (...), mandratra ireo izay mifandray aminy? (...) Tsy mba hanao teny masiaka ireo izay maneho an'i Kristy. Ho mamy sy mahasoa ny teniny. «Mba hanaraka ny marina amin>ny fitiavana [isika] ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho aminizay Loha, dia Kristy.» - Efes. 4:15.
Tian'Andriamanitra ny zanany lahy sy vavy hanambara ny herin'ny fahasoavany eo anatrehan'ny sinagogan'i Satana, eo anatrehan'ny lanitra manontolo, ary eo anatrehan' izao tontolo izao, mba ho fantatry ny olona sy ny anjely fa tsy very maina ny nahafatesan' i Kristy. A oka hasehontsika amin'izao tontolo izao fa manana hery avy any ambony isika. (...) Enga anie hanampy ny vahoakany Andriamanitra ho afaka amin'ny tsy firaihana misy azy, ka ho tonga eo amin'izay ahafahany miara-mandeha sy miresaka amin'Andriamanitra. Amin' izay, rehefa maneho taratra ny fahazavana sy ny fifalian'ny lanitra izy ireo, dia Andriamanitra mihitsy no hifaly azy amin'ny fihobiana. — Ms, 38, 1901.