Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa ho an'ny tsirairay

Daty
Alakamisy 12 November 2026

 "Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manna ondry zato, ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?" - Mat. 18:12.

Mofon'aina:
Mampianatra lesona sarobidy indrindra ny fanoharana ny amin'ny farantsakely very sy ny ondry very. Miresaka momba ny olona very nefa hita indray izy ireo. Maro, eny, maro lavitra no ho hita indray raha nanaovana asa tahaka ny aseho ao amin'ireo fanoharana ireo. (...)

Ry mambran'ny fiangonana, angataho Andriamanitra hanome anareo fo mazoto hanokatra ny Soratra Masina amin'ny hafa, ary hanao asa fitoriana ho an'ireo mila fanampiana. Ny sasany ho voavonjy amin'ny fomba iray ary ny sasany amin'ny fomba hafa koa, nefa ny asa dia tsy maintsy atao mandrakariva araka ny fitarihan'ny Tompo. (...) Aoka ireo pejy voasoratra mirakitra ny fahamasinana ara-Baiboly haely tahaka ny ravin-kazo amin'ny fararano. Asandrato [lay Mpamonjy ny fanahy, asandrato avo hatrany Izy. (...)

 Aoka ho vonton'ny toe-tsain'Ilay Mpampianatra lehibe Tompon'ny asa ianao. lanaro avy amin'Ilay Sakaizan'ny mpanota ny fomba fanampiana ireo fanahy mararin'ny fahotana. Tsarovy fa tokony hahitana fanoloran-tena sy fanokanan-tena ho an'ny asan'Andriamanitra mitovy amin'ny an'ny Tompony ny fiainan'ny mpanara-dia Azy, izay ambony noho ny zava-takin'ny fiarahamonina sy ireo havan-tiany eto an-tany. Tsy maintsy atao lohalaharana mandrakariva ny fitakian'Andriamanitra. - RH, 29 Avrily 1909. 

Maro ny mpiara-belona aminao. Holazainao azy ireo ye ny hafatra? Mety tsy mbola nandray ny hosotry ny fametrahan-tanana ianao, nefa azonao atao ny mitory io hafatra io amim-panetren-tena. — Ms, 2, 1905.

Aoka tsy hisy hipetra-potsiny satria hoe tsy afakahanao asamitovy amin ' izay ataon'ireo mpanompon' Andriamanitra efa za-draharaha indrindra. (...) Tsy ny olona mitana andraikitra lehibe eo amin'ny fanompoana ihany, tsy ny olona mambran'ny vaomiera na komity ihany (...) no tsy maintsy hamita ny asa izay hahatonga ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. Tsy ho vita ity asa ity raha tsy ny fiangonana manontolo no manao ny anjarany eo ambanin'ny fitarihana sy ny herin'Andriamanitra. - Pacific Union Recorder, 24 Marsa 1904 (Australasian Union Conference Record, 15 Febroary 1904). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal