Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vatosoa sa vato karangana?

Daty
Zoma 26 April 2024

"Amin'izany andro izany, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, dia horaisiko hianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehôvah , ka hataoko toy ny fanombohan-kase hianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro."— Hag. 2:23.

Mofon'Aina:   
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina. Mila mamiratra ho Azy izy ireo, manapariaka ny fahazavan'ny fahatsarany. Miankina amin'ny fandamalamana azony ny famirapiratany. Azony atao ny misafidy ny halamaina na hitoetra ho marokoroko. Saingy ireo rehetra nambara fa mendrika ny toerana ao amin'ny tempolin'i Jehôvah dia tokony hilefitra amin'ny dingan'ny fandamalamana. (…)

Izao no lazain'i Kristy amin'ny olombelona: "Ahy ianao. Novidiko ianao. Mbola vato tsy voapaika ianao izao saingy raha mipetraka eo am-pelatanako dia halamaiko ary hanome voninahitra ny anarako ny fahazavana izay hamirapiratanao. Tsy misy olona handrombaka anao eo am-pelatanako. Hataoko harenako manokana ianao. Amin'ny andro hanomezana Ahy ny satroboninahitra dia ho vatosoa sarobidy eo amin'ny satroboninahitry ny firavoravoako ianao".

Tsy mandany fotoana amin'ny fitaovana tsy manana tombambidy Ilay Mpiasa avy any an-danitra. Ny vatosoa sarobidy ihany no halamaina ho tahaka ny lapa (...). Mafy sy mitaky ezaka io dingana io; mandratra ny hambom-pon'olombelona izany. Mikasika lalina ny fanandraman'ny olona izay heveriny ho tanteraka noho ny fiheverany ho mety i Kristy ary esoriny ao amin'ny toetra ny fanandratan-tena rehetra. Esoriny izay mihoatra ary apetrany eo amin'ny kodiaran'ny fandamalamana ny vato; tereny tsara izany mba hahafaka ny marokoroko rehetra. Dia hazoniny eo amin'ny hazavana ilay vatosoa, ary hitan'ny Tompo ny taratra avy aminy ka ambarany fa mendrika ny ho hita ao amin'ny fitoeram-piravaka izy. "Amin'izany andro izany, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, dia horaisiko hianao (...) ka hataoko toy ny fanombohan-kase hianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro." Isaorana anie, na dia mafy aza, ny fanandramana izay manome tombambidy vaovao ny vato ka mampamiratra izany amin'ny famirapiratana velona.

Tsy hamela na dia iray aza amin'ireo mpiasany tso-po ho irery Andriamanitra ka hiady amin'ny fahasarotana lehibe ary ho resy. Tehiriziny ho vatosoa sarobidy ireo rehetra manana fiainana miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.- OHC, t. 322. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal