Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vatosoa sa vato karangana?

Daty
Zoma 26 April 2024

"Amin'izany andro izany, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, dia horaisiko hianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehôvah , ka hataoko toy ny fanombohan-kase hianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro."— Hag. 2:23.

Mofon'Aina:   
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina. Mila mamiratra ho Azy izy ireo, manapariaka ny fahazavan'ny fahatsarany. Miankina amin'ny fandamalamana azony ny famirapiratany. Azony atao ny misafidy ny halamaina na hitoetra ho marokoroko. Saingy ireo rehetra nambara fa mendrika ny toerana ao amin'ny tempolin'i Jehôvah dia tokony hilefitra amin'ny dingan'ny fandamalamana. (…)

Izao no lazain'i Kristy amin'ny olombelona: "Ahy ianao. Novidiko ianao. Mbola vato tsy voapaika ianao izao saingy raha mipetraka eo am-pelatanako dia halamaiko ary hanome voninahitra ny anarako ny fahazavana izay hamirapiratanao. Tsy misy olona handrombaka anao eo am-pelatanako. Hataoko harenako manokana ianao. Amin'ny andro hanomezana Ahy ny satroboninahitra dia ho vatosoa sarobidy eo amin'ny satroboninahitry ny firavoravoako ianao".

Tsy mandany fotoana amin'ny fitaovana tsy manana tombambidy Ilay Mpiasa avy any an-danitra. Ny vatosoa sarobidy ihany no halamaina ho tahaka ny lapa (...). Mafy sy mitaky ezaka io dingana io; mandratra ny hambom-pon'olombelona izany. Mikasika lalina ny fanandraman'ny olona izay heveriny ho tanteraka noho ny fiheverany ho mety i Kristy ary esoriny ao amin'ny toetra ny fanandratan-tena rehetra. Esoriny izay mihoatra ary apetrany eo amin'ny kodiaran'ny fandamalamana ny vato; tereny tsara izany mba hahafaka ny marokoroko rehetra. Dia hazoniny eo amin'ny hazavana ilay vatosoa, ary hitan'ny Tompo ny taratra avy aminy ka ambarany fa mendrika ny ho hita ao amin'ny fitoeram-piravaka izy. "Amin'izany andro izany, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, dia horaisiko hianao (...) ka hataoko toy ny fanombohan-kase hianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro." Isaorana anie, na dia mafy aza, ny fanandramana izay manome tombambidy vaovao ny vato ka mampamiratra izany amin'ny famirapiratana velona.

Tsy hamela na dia iray aza amin'ireo mpiasany tso-po ho irery Andriamanitra ka hiady amin'ny fahasarotana lehibe ary ho resy. Tehiriziny ho vatosoa sarobidy ireo rehetra manana fiainana miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.- OHC, t. 322. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal