"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." - Jao. 14:26.
Mofon'aina:
Ny Fanahy Masina amin'ny fahafenoan'ny maha Andriamanitra Azy no Ilay Mpananatra izay nampanantenain' i Kristy fa hirahiny aorian'ny fiakarany any an-danitra. Izy no mampiseho ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra amin'izay rehetra mandray sy mino Kristy ho Mpamonjy ny tenany. (...)Ary amin'ny anaran'ny (...) Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no anaovana batisa ireo izay mandray an'i Kristy amin'ny finoana velona (...).- Ev, t. 615.
Ireo izay nanana tombontsoa handre ny fahamarinana sy voataonan'ny Fanahy Masina handray ny Soratra Masina ho feon'Andriamanitra dia tsy manana fialan-tsiny raha toa mijanona ho zeny eo amin'ny fiainam-pivavahany. Amin'ny fampiasana ireo fahaiza-manao nomen'Andriamanitra azy no tokony hianarany isan'andro sy handraisany hafanam-po sy hery ara-panahy. (...)
Raha tiantsika ny ho zava-maniry mitombo ao amin'ny sahan'ny Tompo, dia tsy maintsy mandray tsy tapaka aim-panahy sy zotom-po isika. Amin'izay dia ho hita fa mitombo amin'ny finoana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika isika. (...) Aoka isika handroso hatrany ho any an-danitra, ka hampivelatra toetra ara-pivavahana mafy orina. Ny fatran'ny Fanahy Masina horaisintsika dia hifanaraka amin'ny haben'ny faniriantsika handray izany sy ny finoantsika. (...)
Hoy i Kristy: "Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita" - Mat. 7:8. Izay mitady marina ny fahasoavana sarobidin'i Kristy dia azo antoka fa tsy ho diso fanantenana. Ilay tsy mba hamitaka antsika no nanome izany teny fikasana izany. Tsy fanambarana na petra-kevitra fotsiny izany, fa zava-misy mihitsy, izany no lalan'ny fitondram-panjakan'Andriarnanitra. Mahazo matoky isika fa handray ny Fanahy Masina raha samy manandrana manokana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra. Marina Andriamanitra ary tonga lafatra ny didiny. (...) Hamirapiratra arakaraka ny fanirian'ny fanahy ny fahazavana sy ny fahamarinana. Enga anie ny rehetra no ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana, mba ho voky izy!- RH, 5 Mey 1896.