Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanomezana azon'ny rehetra ralsina

Daty
Alarobia 25 November 2026

"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." - Jao. 14:26.

Mofon'aina:
Ny Fanahy Masina amin'ny fahafenoan'ny maha Andriamanitra Azy no Ilay Mpananatra izay nampanantenain' i Kristy fa hirahiny aorian'ny fiakarany any an-danitra. Izy no mampiseho ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra amin'izay rehetra mandray sy mino Kristy ho Mpamonjy ny tenany. (...)Ary amin'ny anaran'ny (...) Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no anaovana batisa ireo izay mandray an'i Kristy amin'ny finoana velona (...).- Ev, t. 615.

Ireo izay nanana tombontsoa handre ny fahamarinana sy voataonan'ny Fanahy Masina handray ny Soratra Masina ho feon'Andriamanitra dia tsy manana fialan-tsiny raha toa mijanona ho zeny eo amin'ny fiainam-pivavahany. Amin'ny fampiasana ireo fahaiza-manao nomen'Andriamanitra azy no tokony hianarany isan'andro sy handraisany hafanam-po sy hery ara-panahy. (...)

Raha tiantsika ny ho zava-maniry mitombo ao amin'ny sahan'ny Tompo, dia tsy maintsy mandray tsy tapaka aim-panahy sy zotom-po isika. Amin'izay dia ho hita fa mitombo amin'ny finoana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika isika. (...) Aoka isika handroso hatrany ho any an-danitra, ka hampivelatra toetra ara-pivavahana mafy orina. Ny fatran'ny Fanahy Masina horaisintsika dia hifanaraka amin'ny haben'ny faniriantsika handray izany sy ny finoantsika. (...)

Hoy i Kristy: "Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita" - Mat. 7:8. Izay mitady marina ny fahasoavana sarobidin'i Kristy dia azo antoka fa tsy ho diso fanantenana. Ilay tsy mba hamitaka antsika no nanome izany teny fikasana izany. Tsy fanambarana na petra-kevitra fotsiny izany, fa zava-misy mihitsy, izany no lalan'ny fitondram-panjakan'Andriarnanitra. Mahazo matoky isika fa handray ny Fanahy Masina raha samy manandrana manokana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra. Marina Andriamanitra ary tonga lafatra ny didiny. (...) Hamirapiratra arakaraka ny fanirian'ny fanahy ny fahazavana sy ny fahamarinana. Enga anie ny rehetra no ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana, mba ho voky izy!- RH, 5 Mey 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 15 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny Baiboly no manazava ny tenany.
Mon 16 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-tantara sy ara-kolon-tsaina.
Tue 17 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.
Wed 18 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.
Thu 19 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Famelabelarana ara-tsoratra Masina.
Fri 20 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Mamaky ny Bokin’i ELLEN G. WHITE.
Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.
Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana
Sun 22 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Mon 23 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Tue 24 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Wed 25 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Thu 26 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Fri 27 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal