"Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany." - Mat. 24:14.
Mofon'aina:
Tahaka ny idiran'ny tara-masoandro any amin'ireo faritra lavitra indrindra eto an-tany, dia tian'Andriamanitra koa raha hahatratra ny fanahy rehetra ambonin'ny tany ny fahazavan'ny filazantsara. (...) Amin'izao fotoana izao, izay iasan'ny fahavalo mafimafy kokoa noho ny hatrizay, mba hanamaizinana ny sain'ny lehilahy sy ny vehivavy, no tokony hiasantsika koa amin-kafanam-po sy amin-kery mitombo. Amin'ny fahazotoana sy amin'ny fo tsy mitady valisoa no tokony hitoriantsika ny hafa-pamindrampo farany any amin'ireo tanan-dehibe maro sy eny an-dalambe ary eny amin'ny lalan-kely rehetra. Tokony hotratrarina ny olona amin'ny saranga rehetra. (...) Tsy misy tsy tokony handre fampitandremana.
Ny Tompo Jesosy no fanomezana natolotr'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao manontolo — tsy ho an'ny saranga ambony ihany, ary tsy ho an'ny firenena iray manokana ka hanilihana ny hafa. Manodidina izao tontolo izao ny fahasoavany mahavonjy. Izay rehetra maniry dia afaka misotro eo amin'ny ranon'aina. (...)
Efa aorina ankehitriny ny fanjakan'ny fahasoavana, satria isan'andro dia misy fo feno fahotana sy fikomiana tany aloha, izay manaiky hotapahin'ny Fitiavany. Kanefa ny fanorenana tanteraka ny fanjakan'ny voninahiny dia tsy hitranga raha tsy amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany eto amin'izao tontolo izao. "Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra."- Dan. 7:27. (...)
Hovohana indray ny vavahadin'ny lanitra, ary miaraka amin'ny alinalina sy arivoarivo maro amin'ireo olona masina no hisehoan'ny Mpamonjintsika amin'ny maha "Mpanjakan 'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo" Azy (1 Tim. 6:15). (...) "Indro, ny tabernakelin 'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ho Andriamaniny."- Apok. 21:3.
Kanefa alohan' izany fiaviana izany, dia hoy i Jesosy: "Ary hotorina amin 'izao tontolo izao ity filazantsaran 'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra." Tsy ho tonga ny fanjakany raha tsy efa entina any amin'ny vazan-tany rehetra ny vaovao ahafaly momba ny fahasoavany.- RH, 14 Novambra 1912.