Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tontolo iray tokony homena fampitandremana

Daty
Alahady 29 November 2026

"Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany." - Mat. 24:14.

Mofon'aina: 
Tahaka ny idiran'ny tara-masoandro any amin'ireo faritra lavitra indrindra eto an-tany, dia tian'Andriamanitra koa raha hahatratra ny fanahy rehetra ambonin'ny tany ny fahazavan'ny filazantsara. (...) Amin'izao fotoana izao, izay iasan'ny fahavalo mafimafy kokoa noho ny hatrizay, mba hanamaizinana ny sain'ny lehilahy sy ny vehivavy, no tokony hiasantsika koa amin-kafanam-po sy amin-kery mitombo. Amin'ny fahazotoana sy amin'ny fo tsy mitady valisoa no tokony hitoriantsika ny hafa-pamindrampo farany any amin'ireo tanan-dehibe maro sy eny an-dalambe ary eny amin'ny lalan-kely rehetra. Tokony hotratrarina ny olona amin'ny saranga rehetra. (...) Tsy misy tsy tokony handre fampitandremana.

Ny Tompo Jesosy no fanomezana natolotr'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao manontolo — tsy ho an'ny saranga ambony ihany, ary tsy ho an'ny firenena iray manokana ka hanilihana ny hafa. Manodidina izao tontolo izao ny fahasoavany mahavonjy. Izay rehetra maniry dia afaka misotro eo amin'ny ranon'aina. (...)

Efa aorina ankehitriny ny fanjakan'ny fahasoavana, satria isan'andro dia misy fo feno fahotana sy fikomiana tany aloha, izay manaiky hotapahin'ny Fitiavany. Kanefa ny fanorenana tanteraka ny fanjakan'ny voninahiny dia tsy hitranga raha tsy amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany eto amin'izao tontolo izao. "Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra."- Dan. 7:27. (...)

Hovohana indray ny vavahadin'ny lanitra, ary miaraka amin'ny alinalina sy arivoarivo maro amin'ireo olona masina no hisehoan'ny Mpamonjintsika amin'ny maha "Mpanjakan 'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo" Azy (1 Tim. 6:15). (...) "Indro, ny tabernakelin 'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ho Andriamaniny."- Apok. 21:3.

Kanefa alohan' izany fiaviana izany, dia hoy i Jesosy: "Ary hotorina amin 'izao tontolo izao ity filazantsaran 'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra." Tsy ho tonga ny fanjakany raha tsy efa entina any amin'ny vazan-tany rehetra ny vaovao ahafaly momba ny fahasoavany.- RH, 14 Novambra 1912. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 15 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny Baiboly no manazava ny tenany.
Mon 16 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-tantara sy ara-kolon-tsaina.
Tue 17 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.
Wed 18 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.
Thu 19 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Famelabelarana ara-tsoratra Masina.
Fri 20 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Mamaky ny Bokin’i ELLEN G. WHITE.
Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.
Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana
Sun 22 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Mon 23 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Tue 24 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Wed 25 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Thu 26 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Fri 27 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal