Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mamaka ao amin'i Kristy

Daty
Sabotsy 27 April 2024

"Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy." — Sal. 92:12.

Mofon’Aina:
Ampitahaina amin'ny sederan'i Libanona ny Kristianina. Novakiko fa tsy mianina amin'ny fandefasana faka fohy vitsivitsy ao amin'ny tany lonaka io hazo io. Faka matanjaka no alefany lalina any anaty tany ka milentika lalindalina mba hitady famaharana mafimafy kokoa izany. Ary ao anatin'ny tafio-drivotra mafy mitsoka dia mijoro izany, hazonin'ireo faka maro misandrahaka ao ambany.

 Toy izany no mahatonga ny Kristianina hamaka lalina ao amin'i Kristy. Manana finoana an'ilay Mpanavotra azy izy. Fantany izay inoany. Resy lahatra tanteraka izy fa i Jesôsy no Zanak'Andriamanitra sy Mpamonjy ny mpanota. (...) Milentika lalina ny fakan'ny finoana. Ny tena kristianina, tahaka ny sedera any Libanona dia tsy maniry eo amin'ny tany malemy fa mamaka ao amin'Andriamanitra, miraikitra eny an-tsefatsefaky ny vatolampy eny an-tendrombohitra.

Raha mivelatra ny Kristianina ary mitombo dia tokony hanao izany eo anivon'ny olona tsy mahalala an'Andriamanitra izy, eo anivon'ireo fanesoana sy fanimbazimbana. Tokony hijoro mahitsy toy ny hazo rofia any an'efitra izy. Mety ho toy ny varahina ny lanitra, mety handavo ny fakan-drofia ny fasika any an'efitra ary hivangongo manodidina ny vatany. Na izany aza dia miaina toy ny ravina maitso, tsy mba malazo ary matanjaka eo anivon'ny fasika mandoro any an'efitra ilay hazo. Esory hatramin'ny fakan'ilay rofia ny fasika dia ho hitanao ny tsiambaratelon'ny fahavelomany; mivarina any amin'ny lalina izy, dia ny rano miafina ao amin'ny tany.

Tahaka ny hazo rofia mivelona amin'ny alalan'ny loharano velona, ka maitso sy mamony eo anivon'ny tany efitra, dia toy izany koa ny Kristianina, afaka manovo harem-pahasoavana avy amin'ny loharanom-pitiavan'Andriamanitra, ka mitarika ireo fanahy reraka, feno fanahiana ary efa ho faty any amin'ny tany efitry ny fahotana ho eo amin'ny rano azony sotroina sy ivelomana. Mitondra ireo namany ho eo amin'i Jesôsy mandrakariva ny Kristianina ka manasa azy hoe: "Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro." Jao. 7:37. Tsy mandao antsika na oviana na oviana io loharano io; azontsika atao ny manovo ary manovo hatrany. — OHC, t. 331. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal