Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mamaka ao amin'i Kristy

Daty
Sabotsy 27 April 2024

"Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy." — Sal. 92:12.

Mofon’Aina:
Ampitahaina amin'ny sederan'i Libanona ny Kristianina. Novakiko fa tsy mianina amin'ny fandefasana faka fohy vitsivitsy ao amin'ny tany lonaka io hazo io. Faka matanjaka no alefany lalina any anaty tany ka milentika lalindalina mba hitady famaharana mafimafy kokoa izany. Ary ao anatin'ny tafio-drivotra mafy mitsoka dia mijoro izany, hazonin'ireo faka maro misandrahaka ao ambany.

 Toy izany no mahatonga ny Kristianina hamaka lalina ao amin'i Kristy. Manana finoana an'ilay Mpanavotra azy izy. Fantany izay inoany. Resy lahatra tanteraka izy fa i Jesôsy no Zanak'Andriamanitra sy Mpamonjy ny mpanota. (...) Milentika lalina ny fakan'ny finoana. Ny tena kristianina, tahaka ny sedera any Libanona dia tsy maniry eo amin'ny tany malemy fa mamaka ao amin'Andriamanitra, miraikitra eny an-tsefatsefaky ny vatolampy eny an-tendrombohitra.

Raha mivelatra ny Kristianina ary mitombo dia tokony hanao izany eo anivon'ny olona tsy mahalala an'Andriamanitra izy, eo anivon'ireo fanesoana sy fanimbazimbana. Tokony hijoro mahitsy toy ny hazo rofia any an'efitra izy. Mety ho toy ny varahina ny lanitra, mety handavo ny fakan-drofia ny fasika any an'efitra ary hivangongo manodidina ny vatany. Na izany aza dia miaina toy ny ravina maitso, tsy mba malazo ary matanjaka eo anivon'ny fasika mandoro any an'efitra ilay hazo. Esory hatramin'ny fakan'ilay rofia ny fasika dia ho hitanao ny tsiambaratelon'ny fahavelomany; mivarina any amin'ny lalina izy, dia ny rano miafina ao amin'ny tany.

Tahaka ny hazo rofia mivelona amin'ny alalan'ny loharano velona, ka maitso sy mamony eo anivon'ny tany efitra, dia toy izany koa ny Kristianina, afaka manovo harem-pahasoavana avy amin'ny loharanom-pitiavan'Andriamanitra, ka mitarika ireo fanahy reraka, feno fanahiana ary efa ho faty any amin'ny tany efitry ny fahotana ho eo amin'ny rano azony sotroina sy ivelomana. Mitondra ireo namany ho eo amin'i Jesôsy mandrakariva ny Kristianina ka manasa azy hoe: "Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro." Jao. 7:37. Tsy mandao antsika na oviana na oviana io loharano io; azontsika atao ny manovo ary manovo hatrany. — OHC, t. 331. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal