Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy fivavahana tapatapany

Daty
Alahady 28 April 2024

"Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena." — Mat. 24:13.

Mofon'Aina:
Tsy misy heviny ny fivavahana mifototra amin'ny tena, fa Andriamanitra tsy mankasitraka ny marimaritra iraisana. (...)

Ravin-damba mafy, misy kofehy maro tsy voatanisa, notenomina niaraka tamin'ny fahaiza-manao sy ny hakingana, ny fivavahan'i Kristy. Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra ihany no ahazoana manenona io lamba io. Rehefa mitoky amin'ny tenantsika isika dia mampiditra kofehim-pitiavan-tena ao ka manimba ilay tenona.

Misy karazan-damba maro izay, raha vao jerena, dia toa tsara saingy tsy maharitra amin'ny fizahan-toetra. Tsy mitoetra ny lokony fa mihavasoka. (...) Ny lamba toy izany dia tsy mahazaka ny fikirakirana mafy ary tsy manana tombambidy.

Toy izany koa ny fivavahana. Rehefa tsy maharitra amin'ny fizahan-toetra ny rojo sy ny tenona dia tsy manana tombambidy ny akora nanamboarana azy. Ary tsy amin'ny fiezahana hanampina ilay lamba tonta amin'ny tapa-damba vaovao no hanatsarana ny toe-javatra satria ny lamba tonta sy mora rovitra dia hiala amin'ilay vaovao, ka ho triatra noho ny teo aloha izany. Tsy ampy ny fanampenan-damba. Ny hany vahaolana dia ny hanariana ny akanjo tonta ka hitady vaovao. Ny fivavahana miorina amin'ny "izaho", izay ahitana kofehy vasoka ary koa milefitra amin'ny faneren'ny fakam-panahy dia tokony hariana ka hosoloana amin'ny fivavahana notenomin'Ilay Iray izay manana fiainana tsy ahitana fitiavan-tena.

Ny drafitr'i Kristy no hany azo antoka. Izao no ambarany: "Indro, havaoziko ny zavatra rehetra."- Apôk . 21:5. "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy."- 2 Kôr. 5:17. Tsy mandrisika na iza na iza ny Tompo hihevitra fa hanaiky fivavahana tapatapany Izy. Tsy manana tombambidy eo imasony ny fivavahana toy izany. Amin'ny voalohany dia mety hisy ampahany amin'ny tena ary ampahany amin'i Kristy ao anatin'izany, saingy vetivety dia ho tsapa fa tsy ao i Kristy. Hitombo ireo pentin'ny fitiavan-tena mandra-pahafenon'ny akanjo manontolo (...). Ny fivavahana noforonina araka ny modely avy any an-danitra ihany no hany maharitra. Amin'ny fiezahantsika hiaina ny fiainan'i Kristy no ahafahantsika miomana hiaina miaraka Aminy mandritra ireo taona mandrakizay.- OHC, t. 342. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal