Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy fivavahana tapatapany

Daty
Alahady 28 April 2024

"Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena." — Mat. 24:13.

Mofon'Aina:
Tsy misy heviny ny fivavahana mifototra amin'ny tena, fa Andriamanitra tsy mankasitraka ny marimaritra iraisana. (...)

Ravin-damba mafy, misy kofehy maro tsy voatanisa, notenomina niaraka tamin'ny fahaiza-manao sy ny hakingana, ny fivavahan'i Kristy. Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra ihany no ahazoana manenona io lamba io. Rehefa mitoky amin'ny tenantsika isika dia mampiditra kofehim-pitiavan-tena ao ka manimba ilay tenona.

Misy karazan-damba maro izay, raha vao jerena, dia toa tsara saingy tsy maharitra amin'ny fizahan-toetra. Tsy mitoetra ny lokony fa mihavasoka. (...) Ny lamba toy izany dia tsy mahazaka ny fikirakirana mafy ary tsy manana tombambidy.

Toy izany koa ny fivavahana. Rehefa tsy maharitra amin'ny fizahan-toetra ny rojo sy ny tenona dia tsy manana tombambidy ny akora nanamboarana azy. Ary tsy amin'ny fiezahana hanampina ilay lamba tonta amin'ny tapa-damba vaovao no hanatsarana ny toe-javatra satria ny lamba tonta sy mora rovitra dia hiala amin'ilay vaovao, ka ho triatra noho ny teo aloha izany. Tsy ampy ny fanampenan-damba. Ny hany vahaolana dia ny hanariana ny akanjo tonta ka hitady vaovao. Ny fivavahana miorina amin'ny "izaho", izay ahitana kofehy vasoka ary koa milefitra amin'ny faneren'ny fakam-panahy dia tokony hariana ka hosoloana amin'ny fivavahana notenomin'Ilay Iray izay manana fiainana tsy ahitana fitiavan-tena.

Ny drafitr'i Kristy no hany azo antoka. Izao no ambarany: "Indro, havaoziko ny zavatra rehetra."- Apôk . 21:5. "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy."- 2 Kôr. 5:17. Tsy mandrisika na iza na iza ny Tompo hihevitra fa hanaiky fivavahana tapatapany Izy. Tsy manana tombambidy eo imasony ny fivavahana toy izany. Amin'ny voalohany dia mety hisy ampahany amin'ny tena ary ampahany amin'i Kristy ao anatin'izany, saingy vetivety dia ho tsapa fa tsy ao i Kristy. Hitombo ireo pentin'ny fitiavan-tena mandra-pahafenon'ny akanjo manontolo (...). Ny fivavahana noforonina araka ny modely avy any an-danitra ihany no hany maharitra. Amin'ny fiezahantsika hiaina ny fiainan'i Kristy no ahafahantsika miomana hiaina miaraka Aminy mandritra ireo taona mandrakizay.- OHC, t. 342. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (13)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal