Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny haren'i Kristy tsy hita lany

Daty
Alatsinainy 29 April 2024

 "Mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, sy mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo." Efes. 3:16.

Mofon'Aina:
Lohahevi-dehibe ireo lohahevitry ny fanavotana, ary ireo izay mihevitra ny zava-panahy ihany no afaka manavaka ny halaliny sy ny heviny. Fiarovana ho antsika sy fifaliantsika ny mitoetra eo amin'ny fahamarinan'ny drafi-panavotana. Ny finoana sy ny vavaka dia ilaina mba hahafahantsika mibanjina ireo zava-dalina momba an'Andriamanitra. Voafetran'ny fiheverana tery ny saintsika ka tsy manana afa-tsy fahitana voafetra ny amin'ny fanandramana azontsika iainana. (...)

Nahoana no maro amin' ireo izay milaza ho mino an'i Kristy no tsy manana hery hanoherana ny fakam-panahy alefan'ilay fahavalo? — Satria tsy manana ilay tanjaka avy amin'ny Fanahy izy ao anatiny. Izao no vavaka nataon'ny apôstôly : "mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin 'ny fitiavana hianareo, mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra." Efes. 3:17-19. Raha nanana izany fanandramana izany isika dia tokony hahalala zavatra momba ny hazo fijalian'i Kalvary. Ho fantatsika ny hevitry ny hoe mandray anjara amin'ny fijalian'i Kristy. Hanery antsika ny fitiavan'i Kristy ary na dia tsy afaka hanazava ny fomba hanafanan'ny fitiavan' Kristy ny fontsika aza isika dia haneho ny fitiavany amin'ny fanoloran-tena mafana ho amin'ny asany.

Maneho amin'ny fiangonan'i Efesôsy amin'ny teny mazava indrindra ny hery sy ny fahalalana mahatalanjona ananany amin'ny maha-zanakalahy sy zanakavavin'ny Avo Indrindra i Paoly. "Hohatanjahina fatratra" izy ireo, "hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana" ary "hahalala ny fitiavan'i Kristy izay mihoatra ny fahalalana" (...)

Jehôvah Imanoela — Ao Aminy no iafenan'ny haren'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra — mba hiray fo Aminy, hanana Azy arakaraka ny isokafan'ny fo handray ny Toetrany: mba hahalala ny fitiavany sy ny heriny, mba hanana ny haren'i Kristy tsy hita lany (...) izany no lovan'ny mpanompon'i Jehôvah, ary ny "fahamarinany avy amiko, hoy Jehôvah ." Isa. 54:17. — OHC, t. 365.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal