Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny haren'i Kristy tsy hita lany

Daty
Alatsinainy 29 April 2024

 "Mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, sy mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo." Efes. 3:16.

Mofon'Aina:
Lohahevi-dehibe ireo lohahevitry ny fanavotana, ary ireo izay mihevitra ny zava-panahy ihany no afaka manavaka ny halaliny sy ny heviny. Fiarovana ho antsika sy fifaliantsika ny mitoetra eo amin'ny fahamarinan'ny drafi-panavotana. Ny finoana sy ny vavaka dia ilaina mba hahafahantsika mibanjina ireo zava-dalina momba an'Andriamanitra. Voafetran'ny fiheverana tery ny saintsika ka tsy manana afa-tsy fahitana voafetra ny amin'ny fanandramana azontsika iainana. (...)

Nahoana no maro amin' ireo izay milaza ho mino an'i Kristy no tsy manana hery hanoherana ny fakam-panahy alefan'ilay fahavalo? — Satria tsy manana ilay tanjaka avy amin'ny Fanahy izy ao anatiny. Izao no vavaka nataon'ny apôstôly : "mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin 'ny fitiavana hianareo, mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra." Efes. 3:17-19. Raha nanana izany fanandramana izany isika dia tokony hahalala zavatra momba ny hazo fijalian'i Kalvary. Ho fantatsika ny hevitry ny hoe mandray anjara amin'ny fijalian'i Kristy. Hanery antsika ny fitiavan'i Kristy ary na dia tsy afaka hanazava ny fomba hanafanan'ny fitiavan' Kristy ny fontsika aza isika dia haneho ny fitiavany amin'ny fanoloran-tena mafana ho amin'ny asany.

Maneho amin'ny fiangonan'i Efesôsy amin'ny teny mazava indrindra ny hery sy ny fahalalana mahatalanjona ananany amin'ny maha-zanakalahy sy zanakavavin'ny Avo Indrindra i Paoly. "Hohatanjahina fatratra" izy ireo, "hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana" ary "hahalala ny fitiavan'i Kristy izay mihoatra ny fahalalana" (...)

Jehôvah Imanoela — Ao Aminy no iafenan'ny haren'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra — mba hiray fo Aminy, hanana Azy arakaraka ny isokafan'ny fo handray ny Toetrany: mba hahalala ny fitiavany sy ny heriny, mba hanana ny haren'i Kristy tsy hita lany (...) izany no lovan'ny mpanompon'i Jehôvah, ary ny "fahamarinany avy amiko, hoy Jehôvah ." Isa. 54:17. — OHC, t. 365.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (13)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal