Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy ampy ny fahalalana ivelambelany fotsiny

Daty
Alarobia 01 May 2024

"Izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr 'ity zava-miafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra."- KM. 1:27.

Mofon'Aina:   
Misy zava-miafina marobe tsy takatsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, nefa maro amintsika no afa-po ka tsy manohy ny fandinihana intsony raha vao nanomboka naharay fahalalana kely mikasika an'i Kristy. Raha vao manomboka mivelatra manoloana ny fahatakarantsika ny ampahany kely amin'ny fikasan'Andriamanitra ary koa manomboka manana fahalalana kely momba ny toetran'Andriamanitra isika, dia afa-po ary mihevitra fa efa nandray ny fahazavana rehetra natao horaisintsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy misy fetra anefa ny fahamarinana momba an'Andriamanitra. Tsy tokony hitandro hasasarana isika amin'ny fiasana ao amin'ny sahan'ny fahamarinana mba hahitantsika ireo vatosoa sarobidy izay nafenina. (...) Izay tena hevitry ny teny tokoa no tian'i Jesôsy hambara raha nanome toromarika ireo mpianany Izy nanao hoe: "Dinihinareo ny Soratra Masina" - Jao. 5:39. Ny hoe mandinika dia mampitaha ny Soratra Masina amin'ny Soratra Masina, ary ny zava-panahy amin'ny zava-panahy. Tsy tokony ho afa-po amin'ny fananana fahalalana ivelambelany fotsiny isika.

Tsy tsapantsika amin'ny fahafenoany ny zavatra irin'ny Tompo hatao ho an'ny olony. (...) Tokony hisandratra any amin' Andriamanitra ny fangatahantsika, amin'ny finoana sy ny fo torotoro, mba hahatakarana ireo zava-miafina izay ampahafantarin'Andriamanitra ny olony masina. (...) Tsy voatantaran'ny penin'ny anjely anankiray ny voninahitra rehetra aseho ao amin'ny drafi-panavotana. Ambaran'ny Baiboly antsika ny fomba nitondran'i Kristy ny fahotantsika sy ny fahoriantsika. Ao no anehoana ny fihaonan'ny famindrampo sy ny fahamarinana teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary, ny fifanorohan'ny rariny sy ny fiadanana ary ny fanomezana anjara ny olombelona lavo amin'ny fahamarinan'i Kristy. Teo no nanehoana ilay fahendrena tsy hita fetra, ny rariny mandrakizay, ny famindrampo tsy hita lany ary ilay fitiavana tsy misy farany. (…)

Izay maniry fatratra ny fahamarinana ao am-pony sy mangetaheta ny fiasan' ny herin'izany eo amin'ny fiainany sy ny toetrany dia hahazo antoka fa hahazo izany. by ny Mpamonjy: "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana." -Mat. 5:6. - TMK, t. 10. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal