Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VAVOLOMBELONA ROA

Daty
Alahady 05 May 2024

Vakio ny Apôk . 11:3-6. Milaza toetra dimy ananan'ireo vavolombelona roa voalaza ao amin'ireo andininy ireo.

Ao amin'ny Zak.4, Ilay mpaminany dia nahita hazo oliva roa teo an-daniny sy an-kilan'ny fanavaon-jiro volamena — sary mitovy amin'izay hitantsika ao amin'ny Apôk. 11. Nolazaina tamin'i Zakaria fa izany dia maneho ireo "zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra" (Zak. 4:14). Manome diloilo ho an'ilay fanaovan-jiro ireo hazo oliva mba hirehetan'izany hatrany. Mampahatsiahy antsika izay nosoratan'ny mpanao salamo izany, manao hoe: "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao"- Sal. 119:105. Maneho ny Fanahy Masina ny diloilo (Zak. 4:2,6). Ny fahitana nomena an'i Jaona ao amin'ny Apôk. 11 dia manondro ny Tenin'Andriamanitra torina amin'ny herin'ny Fanahy Masina mba hanazavana izao tontolo izao.

Ireo vavolombelona roa ireo dia afaka maminany sy manakana ny orana tsy hilatsaka ela araka ny aminaniany izany. Azony atao ny manova ny rano ho ra sy mamely ny tarry amin'ny loza maro. Tamin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra no nitenenan'i Elia fa tsy hisy orana eo amin'ny lsiraely ary ho valin'ny vavaka nataony dia tsy nisy orana nandritra ny telo taona sy tapany (jereo ny Jak. 5:17). Nivavaka tamin'Andriamanitra indray izy dia avy ny orana rehefa tsy nahay nampitsahatra ny main-tany ireo mpaminany sandok'i Bala (1 Mpanj. 17; 18). I Mosesy koa, tamin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra, dia nitondra loza tamin'ny endriny maro samihafa teo amin'ireo Egiptianina, anisan'izany ny fanovana ny rano ho ra, satria nanda ny hanafaka ny vahoakan'Andriamanitra i Farao (Eks. 7).

Ireo izay mitady hamotika ny Soratra Masina dia holevonininy afo mivoaka avy amin'ny vavany. Izao no lazain'Andriamanitra: "Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny' - Jer. 5:14. Manonona fitsarana ho an'ireo rehetra manda azy ny Tenin'Andriamanitra. Toy ny afo ao am-bava ny teniny.

Ambaran'i Jesôsy amin'ny Jao. 5:39 fa manambara Azy (mijoro ho vavolombelony) ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha. Lazainy koa fa hotorina "ho vavolombelona" amin'ny firenena rehetra ny Filazantsara (Mat. 24:14) ary ny Testamenta Vaovao, miaraka amin'ny Testamenta Taloha no fototr'izany fijoroana ho vavolombelona izany. Voanteny iray avy amin'ny fototeny iray nangalana ireo teny ampiasaina amin'ireo andininy roa ireo hilazana ny fijoroana ho vavolombelona no hita ao amin’ny Apôk. 11:3.

 za avy ireo vavolombelona roa ireo? Araka ny fahitana ireo singa ara-Baiboly sy ireo toetra nomena ao amin'ny Apôk. 11 dia azontsika atao ny manao tsoa-kevitra (tsy noho ny maha foto-pinoantsika izany anefa) fa ireo vavolombelona roa ireo dia ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao izay mampita ny fahazavan'Andriamanitra sy ny fahamarinany amin'izao tontolo izao.

Kristianina maro ankehitriny no manana fironana hanamaivana ny Ianjan'ny Testamenta Taloha ary milaza izany ho tsy mitombina sy tsy ilaina satria manana ny Testamenta Vaovao isika. Inona no fahadisoana lehibe ao amin'izany toe-fsaina izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal