Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Fanahy Masina, ilay Mpanampy antsika

Daty
Sabotsy 04 May 2024

"Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra."- Rôm. 8:14.

Mofon'Aina:
Amin'ny alalan'ny asa fanompoan'ireo anjely no iasan'ny Fanahy Masina amin'ny saina sy ny fon'ny olombelona ka hitaomany azy ho eo amin'i Kristy. (...) Tsy misalovana amin'ny fahalalahana ananan'ny olombelona anefa ny Fanahin'Andriamanitra. Omena mba ho Mpanampy ny Fanahy Masina, mba hahafahan'ny zanak'olombelona miara-miasa amin'Andriamanitra, ary omena mba hitaomany fanahy Izy fa tsy hanery ny olona hankatò tsy akory.

 Vonona ny hizara amintsika ireo hery miasa manginan'ny lanitra rehetra i Kristy. Fantany ny fakam-panahy rehetra mianjady amin'ny olombelona sy ny fahafahan'ny tsirairay miatrika izany. Voalanjany ny herin'ny olona. Hitany ny ankehitriny sy ny hoavy, ataony ao an-tsain'ny olona ireo andraikitra tokony horaisina, ary mananatra antsika Izy mba tsy hanaiky ho revon'ny zavatry ny tany sy ny fanaon'ny olona ka manjary tsy hisaintsaina intsony ny zavatra maharitra mandrakizay. Manana fahasoavana feno tiany harotsaka amin'ny tsirairay izay handray ny fanomezan'ny lanitra ny Tompo. Ny Fanahy Masina no hanome ireo fahaiza-manao natolotr'Andriamanitra ho amin'ny fanompoana an'i Kristy, ary Izy no hamolavola sy hanamboatra ny mpiasa araka ny Modelin'ny lanitra.

 Ny Fanahy Masina no fahombiazantsika eo amin'ny asa fanorenana ny toetra sy ny famolavolana izany hanahaka ny toetran'Andriamanitra. Manao fahadisoana isika rehefa mihevitra ny tenantsika ho mahay mamolavola ny fanandramantsika manokana. Tsy haintsika ny handresy ny fakam-panahy amin'ny herin'ny tenantsika. Ireo izay tena mino an'i Kristy marina kosa dia hampiasain'ny Fanahy Masina. Ny fo izay itoeran'ny finoana no hanjary tempoly tsara tarehin'i Jehôvah . Hitari-dalana azy ny fahasoavan'i Kristy. Arakaraka ny ianteherany amin'ny fampianaran'ny Fanahy Masina no hitomboany.

 Ny fiasa manginan'ny Fanahy Masina no fiainan'i Kristy ao amin'ny fanahy. Tsy mahita maso an'i Kristy isika na miresaka Aminy mivantana, fa ny Fanahiny Masina kosa dia eo anilantsika any amin'ny toerana rehetra. Miasa ao anaty sy amin'ny alalan'ny tsirairay izay mandray an'i Kristy Izy. Izay mahalala ny fitoeran'ny Fanahy no haneho eo aminy ireo vokatry ny Fanahy - fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fahatsaram-po, finoana. - TMK, t. 57.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal