Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay vatosoa sarobidy

Daty
Talata 07 May 2024

"Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy." - Mat. 13:45,46.

Mofon'Aina:   
Maneho ny haren-tsarobidin'i Kristy io vatosoa io, izay tahaka ny volamena nafenina tany an-tsaha. Ao amin'i Kristy no ahitana izay rehetra ilaintsika amin'izao fiainana izao, sy izay hahatanteraka ny fifaliantsika any amin'ilay fiainana ho avy. Tsy hahavidy ny fiadanana sy ny fitsaharana ary ny fitiavana izay natolotra ho fanomezana ny vola rehetra eto amin'izao tontolo izao. Atolotra antsika ao amin'i Kristy amin'ny alalan'ny finoana ireo. Tsy azontsika atao ny hividy izany any amin'Andriamanitra; tsy manana na inona na inona mety hahavidy izany isika. (...)

Toy ny ahoana ary no fividianana ilay harena mandrakizay? Tsotra ihany, amin'ny famerenana amin'i Jesôsy izay Azy sy ny fandraisana Azy ao am-po amin'ny alalan'ny finoana. Fiaraha-miasa amin'Andriamanitra izany, fitondrana ny ziogan' i Kristy, ary fitondrana ny entany. (...) Napetrak'i Jesôsy Tompo ny satroboninahitra maha-Mpanjaka Azy, nilaozany ny toerana maha-Komandy ambony Azy ka nosaronany ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra, mba hahafahany manandratra ny taranak'olombelona amin'ny alalan'ny maha-olona Azy. Tsapany loatra ny tombambidin'ny taranak'olombelona ka tonga Mpisolo ny olona Izy ary koa antoka ho azy ireo. (…)

 I Kristy ilay fanati-panavotana. Nilaozany ny voninahitry ny lanitra sy ny hareny rehetra, navelany ny hajany, tsy ny hamoronany fitiavana ny olombelona sy fahalianana momba azy ireo ao am-pon'Andriamanitra fa ny hanehoany ny fitiavana izay efa nisy rahateo tao am-pon'ny Ray. (...) Naloan'i Jesôsy ny sandan'ny Hareny rehetra, noraisiny ny maha-olombelona, ka nidina ho amin'ny fiainana feno fahantrana sy fanetren-tena Izy, mba hitadiavany sy hamonjeny izay very.

 Amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy no hanomezana hery sy fahamatorana antsika, mba hahatonga antsika ho tanteraka ao Aminy na dia tsy tonga lafatra aza isika izao. Nanao antoka fly tenantsika tamin'i Satana isika, fa tonga kosa i Kristy mba handoa ny onitra sy hanavotra antsika. Tsy misy na inona na inona azontsika vidina any amin'Andriamanitra. Fa amin'ny fahasoavana irery ihany, izay fanomezana maimaimpoana (...), no amonjena antsika. - TMK, t. 83. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal