Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiainana feno hery

Daty
Alahady 12 May 2024

"Isika tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina , ka tsy mahazo miasa ny olona." - Jao. 9:4

Mofon'Aina:
Ny fiainana kristianina dia tsy fanehoana fahalemem-panahy, sy fahari-po, fanetren-tena ary fahamoram-panahy fotsiny ihany. Mety hanana ireo toetra tsara sy sarobidy ireo ny olona iray kanefa malemy sy ketraka ary saika tsy mahasoa rehefa mihasarotra ny asa. Tsy manana fijery miabo sy tanjaka ny olona toy izany, tsy ananany ny toetra hentitra sy mijoro izay hahafahany manohitra ny ratsy sy hanao ny raharahan'Andriamanitra amin-kery.

I Jesôsy  no ohatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra (...). Tamin'ny fahazazany no nanombohany ny fiainany tamin'ny fanampiana ny hafa. Nanao ny "raharahan'ny Rainy" Izy tamin'ny faharoa ambin'ny folo taonany (...). Nohamaivaniny ny fahorian'ireo izay nanatona Azy fa tsy mba nolaviny izy ireo. Fantany ny fo tsirairay ary fantany izay tokony hatao hanomezana izay ilain'izy ireo. Teny feno fitiavana no niloatra teo imolony mba hampahery sy hanohana ary hitondra fitahiana; ary nataony teo anoloan'ireo vahoaka maro tamin'ny alalan'ny teny tsotra mba ho takatry ny rehetra ny fitsipika lehiben'ny fanjakan'ny lanitra.

Mpiasa tsy tia tena ary tsy nisehoseho i Jesôsy. Tsy nitady laza na harena na koa fandokafana Izy, na koa nikatsaka izay mahafinaritra Azy. (...) Tsy mba nihalangalana tamin'ny fiahiana sy ny andraikitra tokony hatao Izy, tahaka izay ataon'ny ankamaroan'ireo mitonona ho mpanara-dia Azy. (...)

Vaovao isa-maraina ny fitakian'i Kristy ny fanompoantsika. Na toy ny ahoana aza ny fahatanterahan'ny fanoloran-tenantsika fony isika vao nova fo, dia tsy hahasoa ho amin'ny inona na inona izany raha tsy havaozina isan'andro. Ny fanoloran-tena amin'ny fotoana ankehitriny kosa no vaovao sy Lena izy ary ankasitrahan'Andriamanitra. Tsy manana herinandro na volana maro hipetrahana eo an-tongotr'i Jesôsy isika; tsy antsika ny ampitso satria tsy mbola nomena antsika, fa azontsika atao kosa ny hiasa ho Azy anio. Azontsika atao anio ny hamelatra eo anoloany ny drafitra sy ny tanjontsika ka miandry ny fijereny sy ny fanekeny izany. (...) Andron'i Jehôvah izao, ary mpanompo izay nantsoiny ianao. - TMK, t. 155. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal