Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jesôsy, ilay zava-drehetra ho antsika 

Daty
Alatsinainy 13 May 2024

"Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesôsy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika." - 1 Kôr. 1:30.

Mofon'Aina:
Ny fitomboana amin'ny fahalalana ny toetran'i Kristy no manamasina ny fanahy. Manova ny olona izay misaintsaina ny amin'ny drafi-pamonjena ny fibanjinana sy ny fankasitrahana ny asa fanavotana mahatalanjona. Rehefa mibanjina an'i Kristy izy dia manjary manahaka Azy, avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra (...). Tonga dingana manandratra sy manamboatra azy ny fibanjinana an' i Jesôsy. (...) Ny hanana ny fahatanterahan'i Kristy no fanirian'ny Kristianina. (...) Aoka hisaintsaina momba an'i Kristy mandrakariva. Izao no ambaran'ny anjely momba Azy: "ary ny anarany hataonao hoe Jesôsy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany." - Mat. 1:21. Jesôsy, Mpamonjy sarobidy! Ao Aminy no misy toky sy fanampiana, fiarovana ary fiadanana. Izy no mpandroaka ireo fisalasalantsika rehetra, ilay fanantenantsika lehibe indrindra. Endrey, mamy loatra ny fieritreretana fa azontsika atao ny ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra, ary azontsika atao ny mandresy tahaka izay nandresen'i Kristy! I Jesôsy no fahatanterahan'ny fanantenantsika. (...) Izy no rano velona ho an'ny fanahy mangetaheta. Izy no Fialofana rehefa mifofofofo ny tafio-drivotra. Izy no fahamarinantsika, fanamasinana ary fanavotana antsika.

Ny herin'i Kristy no tokony ho fampaherezana, fanantenana, satroboninahitry ny fifalian' izay rehetra manaraka an'i Jesôsy eo amin'ny ady sy ny tolona atrehiny eo amin'ny fiainana. Izay manara-dia marina ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao dia afaka ny hihiaka toy izao raha eo am-pandrosoana: "ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika." - 1 Jao. 5:4.

Finoana toy ny ahoana moa no mandresy an'izao tontolo izao? Finoana izay manao an'i Kristy ho Mpamonjin'ny tenanao manokana izany - finoana izay miaiky ny tsy fahafahana manao na inona na inona sy ny tsy fahafahana mamonjy ny tena (...), ka mifikitra amin' ilay Mpanampy manana hery hoenti-mamonjy ho hany fanantenany. Finoana izay tsy mety sasatra izany, izay mandre ny feon'i Kristy manao hoe: "Mahereza, efa nandresy izao tontolo izao Aho, ary anao ny Heriko." (...) "Indro Aho momba anareo mandrakariva." - TMK, t. 166. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal