Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manala sarona ireo fanavotana

Daty
Alakamisy 16 May 2024

"Dia nanokatra ny sain'ireo izy hahalala ny Soratra Masina." - Lio. 24:45.

Mofon'Aina:
Irin'ny Tompo ny hananan'ny tsirairay avy amintsika fanandramana lalina sy tsara kokoa mikasika ny fahalalana ny Tompontsika sy i Jesôsy Kristy Mpamonjy. Iriny ny hitomboantsika amin'ny fahalalana - tsy ny zavatry ny tany fa ny zavatry ny lanitra, izay mikasika an'i Kristy ilay Mpitarika antsika velona. Endrey, fahalalana ambony sy lehibe manao ahoana re izany! (...)

Fantatsika fa ho avy tahaka ny riaka mahery ny fampianaran-diso, ary izany indrindra no antony aniriantsika ny tara-pahazavana rehetra izay alefan'Andriamanitra ho antsika, mba hahatonga antsika ho tafajoro eo anatrehan'ny toe-java-tsarotra amin'ny andro farany. (...)

Ô! Irin'i Kristy ny hanala sarona ho antsika ireo zava-miafin'ny fanavotana! Naniry ny hanao izany ho an' ireo mpianany Izy fony niaraka tamin'izy ireo tety an-tany, kanefa kely dia kely ny fahalalan'izy ireo ny zava-panahy ka tsy takany ny Teniny. Tsy maintsy nanao izao teny izao tamin'izy ireo Izy: "Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny." - Jao. 16:12. Endrey! Ho nahazaka ny fitsapana mahatsiravina izay tsy maintsy nolalovany tamin'ny fotoana nitsarana an'i Jesôsy sy ny nanomboana Azy izy ireo raha toa nandroso ary koa nazoto nihaino ireo toromarik'i Kristy! Moa ve tsy havelantsika hanokatra ny saintsika i Jesôsy mba hahatakarantsika? (...)

Eo amoron' ilay tontolo mandrakizay isika, ary tsy maintsy manao fijoroana ho vavolombelona izay hifandrindra amin'ny lanitra manontolo.

Ho avy ny Tompo, ary tokony ho vonona isika! Iriko isa-tsegondra ny Fahasoavany - iriko ilay akanjom-pahamarinan'i Kristy. Tsy maintsy mampietry ny tenantsika eo anatrehan' Andriamanitra tahaka izay tsy mbola natao hatrizay isika; mankanesa eo an-tongotry ny hazo fijaliana, dia hataony eo am-bavanao ny teny holazainao momba Azy, eny ny fiderana an'Andriamanitsika koa aza. Hampianariny antsika ny feon-kira amin'ny hiran'ny anjely, eny ny fisaorana izay hatao amin'ilay Raintsika any an-danitra. Tsy mahay manao na inona na inona amin'ny herintsika isika, kanefa irin'Andriamanitra ny hikasika ny molotsika amin'ny vainafo avy eo amin'ny alitara. Iriny ny hanamasina ny lelantsika - ny hanamasina ny momba antsika manontolo. - TMK, t. 191.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal