Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fomba hialana amin'ny fahatsapana ho meloka 

Daty
Talata 21 May 2024

"Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo." - Mika 7:18.

Mofon'Aina:
Faly aho fa tsy ny fihetseham-pontsika no porofo maneho fa zanak'Andriamanitra isika. Haka fanahy anao ilay fahavalo ka hanao izay hiheveranao fa nanao zavatra nampisaraka anao amin'Andriamanitra ianao ka tsy tia anao intsony Izy, kanefa ilay Tompontsika dia mbola tia antsika hatrany. (...)

Aza mijery ny tenanao fa banjino i Kristy ilay tonga lafatra. Tsy mahay manamboatra fahamarinana ho an'ny tenantsika isika. Eo an-tanan'i Kristy ny akanjom-pahamarinana mangatsakatsaka ary hotafiny antsika izany. Hanao teny mamy mitory famelan-keloka sy teny fikasana Izy. Entiny eo amin'ny loharano velona ny fanahintsika mangetaheta (...). Miantso antsika Izy mba hitondra eo Aminy ny enta-mavesatra, ny alahelontsika rehetra, ary nolazainy fa hahita fitsaharana isika. (...)

Hitan'i Jesôsy ireo heloka vitantsika tamin'ny lasa, ary avelany; tsy tokony hanala baraka Azy amin'ny fisalasalana momba ny fitiavany isika. Aoka hapetraka eo an-tongotry ny hazo fijalian'i Kalvary ny fahatsapana ho meloka. Manapoizina ireo loharanon'ny fiainana sy ny tena fifaliana ny fahatsapana ho be fahotana. Hoy i Jesôsy: "Apetraho eto Amiko avokoa izany. Hesoriko ireo fahotanao; ary homeko fiadanana ianao. Aoka tsy hisy intsony ny fanaovanao tsinontsinona ny tenanao, satria ny rako mihitsy no efa nividianako anao. Ahy ianao. Hohatanjahiko ny sitraponao marefo; hofafako ny neninao noho ny fahotana." Rehefa izay dia atodiho Aminy ny fonao feno fankasitrahana sy mangovitry ny fisalasalana ka fikiro ny fanantenana apetrany eo anoloanao. Raisin'Andriamanitra ny fonao vaky sy torotoro ary omeny anao maimaimpoana ny famelan-keloka. Maniry ny handray anao ho isan'ny ankohonany Izy, ary omeny ny fahasoavany mba hanampy anao amin'ny fahalemenao; hotarihin' ilay Mpamonjy malala isaky ny indray mandingana ianao raha mihazona ny Tanany ary mamela Azy hitari-dalana anao.

Katsaho ny teny fikasana sarobidy avy amin'Andriamanitra. Raha mampihorohoro ny sainao i Satana dia manalavira ireny fampihorohoroana ireny ka fikiro ny teny fikasana ary aoka ny fanahinao hahazo hery amin'ny famirapiratan'izany (...). - TMK, t. 241. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal