Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay dia mankamin'ny fandresena

Daty
Alakamisy 23 May 2024

"Fa isaorana anie Andriamanitra Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika." - 1 Kôr. 15:57.

Mofon'Aina:       
Tsy misy olona marefo sy miankin-doha indrindra mihoatra noho ny fanahy izay mahatsapa ny maha-tsinontsinona azy ka miantehitra tanteraka amin'ny fahamendrehan'ny ran' ilay Mpamonjy voahombo sy nitsangana tamin'ny maty. Fiainana feno ady ny fiainan'ny Kristianina; ahitana fifanandrinana mandrakariva izany. Ady mivaivay sy dia lavitra izany. Kanefa ny fankatoavana an' i Kristy rehetra, ny fandavan-tena rehetra noho ny Aminy, ny fitsapana rehetra iaretana, ny fandresena ny fakam-panahy rehetra, dia dingana iray eo amin'ny dia lavitra mankamin'ny voninahitr'ilay fandresena farany.

Raha ekentsika ho Mpitarika antsika i Kristy, dia hitarika sy hiaro antsika eo amin'ilay lalan-tery Izy. Mety ho sarotra sy feno tsilo ny lalana, mety mideza sy mampidi-doza ny fiakarana, mety hisy hantsana eo ankavia sy ankavanana, tsy maintsy hisetra zava-tsarotra angamba isika eo amin'ny dia lavitra izay atao, mety tsy maintsy hanohy ny asa mafy isika na dia maniry fitsaharana aza, mety tsy maintsy miady isika na dia trotraka aza, mety asaina manantena isika rehefa kivy, kanefa rehefa i Kristy no Mpitari-dalana dia tsy ho diso lalana isika raha ho any amin'ilay fiainana tsy misy fahafatesana ary ho tratrantsika ilay fitodiana nirina fatratra.

I Kristy mihitsy talohantsika no efa nandia izany lalana mikitoantoana izany, ary efa nandamina azy hizoran'ny tongotsika. Ny lalan-terin'ny fahamasinana izay asaina andehanan'ireo navotan'i Jehôvah , dia hazavain'Ilay Fahazavan' izao tontolo izao. Rehefa manaraka ny dian-tongony isika, dia hamirapiratra eo amintsika ny Fahazavany, ary raha maneho taratra ny fahazavana indramina amin'ny voninahitr'i Kristy isika, dia hihamazava hatrany tahaka ny antoandro izany lalana izany.

Mety heverintsika ho mahafinaritra amin'ny voalohany ny mandeha araka ny avonavona sy ny hambom-pon'izao tontolo izao, saingy alahelo sy fahoriana no hiafaran'izany. Mety haneho fampanantenana manintona ireo drafitra feno fitiavan-tena ary mampanantena fifaliana, kanefa ho hitantsika fa feno poizina izany fifaliantsika izany ary ho feno ngidin'ny fanantenana izay miorina amin'ny "izaho" ny fiainantsika. Voaro isika rehefa manara-dia an' i Kristy satria tsy hamela ny herin'ny maizina hikasika na dia ny singam-bolontsika aza Izy. Hotandremany ireo izay nankinina taminy, ary hihoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. TMK, t. 253.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal