Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny antony manosika hankato

Daty
Alahady 26 May 2024

"Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." - 1 Jao. 5:3

Mofon’Aina:   
Ny fitandremana ny didin'Andriamanitra no manome voninahitra sy haja Azy eo amin'ireo voafidiny. Izany no antony mahatonga ny fanahy rehetra izay nomen'Andriamanitra fahafaha-misaina hanana andraikitra ny handinika ny Teny sy hamantatra izay takin'Andriamanitra amintsika amin'ny maha-fananana novidiny antsika. Tokony hokatsahintsika ny fomba hahatakarana ny fitakian'ny Teniny rehetra. (...) Ny fomba ahafahantsika manome voninahitra lehibe kokoa an'ilay Andriamanitsika, izay Tompontsika noho ny amin'ny famoronana sy ny fanavotana, dia ny fanehoana amin'ireo mponin'ny lanitra sy ny tontolo tsy lavo ary ny olombelona lavo fa mankatò ny lalàny isika, dia ilay didy izay mifehy ny fitondram-panjakany.

Ilaintsika ny mianatra ampahazo-toana mba hananantsika fahalalana mikasika ny lalàn'Andriamanitra. Ahoana moa no hahatonga antsika ho mpankato raha toa tsy takatsika ny lalana izay mandrindra ny fitondram-panjakan'Andriamanitra? Rehefa izay dia sokafy ny Baibolinao ary diniho izay rehetra manazava anao mahakasika ny fitsipik'Andriamanitra; ary rehefa hitanao ny hoe "Izao no lazain'i Jehôvah ", dia aoka tsy hanontany ny hevitr'olombelona fa mankatoava am-pifaliana na inona na inona sandan'izany. Amin'izany no hitoeran'ny fitahian'i Jehôvah aminao. (...)

Angataho amim-bavaka matetika izao: "Tompo ô! Inona no asainao ataoko? Inona amin'izay ataoko no manao tsinontsinona ny fitsipikao? Moa ve misy zavatra ataoko izay ametrahako ny hery miasa mangina avy amiko ho eo amin'ny laharan'ny fahavalo? Moa ve aho maneho tsy firaihana manoloana ny didin'Andriamanitra? Moa ve aho vonona hiara-mitondra ny ziogan'i Kristy sy hilanja ny enta-mavesatra ary ho mpiara-miasa Aminy? Moa ve aho mitady fialan-tsiny tsy hankatoavana ny "izao no lazain'i Jehôvah"? Moa ve aho mankahatra ny loza amin'ny fanaovan-tsinontsinona ny fankatoavana ny fitsipika voalazan'i Jehôvah mazava noho ny tsy fahafoizako hisaraka amin'izao tontolo izao? (...)"

Miantoraha eo amin'Andriamanitra ka lazao hoe: "Tompo ô! Atolotra ho Anao ny tenako; izay no hany azoko atao! Tsy ho hita ho mpandika ny lalànao anie aho, satria hametraka ahy eo amin'ny laharan'ny fahavalo izany." - TMK, t. 297. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal