Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana ho an'ny mino

Daty
Talata 28 May 2024

"Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao fiainana ankehitriny izao." - Tit. 2:11,12.

Mofon'Aina :
Misy asa lehibe tokony hataontsika raha tiantsika ny handova ny fiainana mandrakizay. Tokony halavirintsika ny toetra rehetra tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao, ary tokony hiaina fiainana feno fahamarinana isika. (...) Ao amin'i Jesôsy irery ihany no misy famonjena ho antsika, satria amin'ny alalan'ny finoana Azy no andraisantsika hery hahatongavana ho zanak'Andriamanitra. Tsy finoana mandalo fotsiny anefa izany fa finoana manao ny asan'i Kristy. (...) Ny finoana velona dia miseho amin'ny alalan'ny toe-tsain'ny fahafoizan-tena sy fanoloran-tena hanao ny raharahan'Andriamanitra. Ireo izay manana izany dia mijoro eo ambany fanevan'ilay Imanoela Andriana ary manohitra ny herin'ny haizina am-pahombiazana. Vonona ny hanao izay rehetra asain'ny Kapiteniny atao izy ireo. Ary ny tsirairay no anarina mba "ho tonga fianarana ho an'ny mino (...) amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana" - 1 Tim. 4:12, satria asaina isika "mba hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika" (DIEM) eto amin'ity tontolo ankehitriny ity. Amin'izany no anehoantsika ny toetran'i Kristy sy ny fomba fisainany. (...) Ireo izay mifandray amin'i Jesôsy dia manana firaisana amin'ilay Mpanao sy Mpihazona ny zavatra rehetra. Manana hery izay tsy azon'izao tontolo izao omena na esorina aminy izy ireo. Tsy natao hifaly fotsiny amin'ny fitahiana azony anefa izy ireo rehefa atolotra azy ny tombontsoa lehibe. Amin'ny maha-mpitantana ny fahasoavan'Andriamanitra azy dia tokony ho fitahiana ho an'ny hafa izy. (...) Misy andraikitra goavana ankinina amintsika izay efa nandray ny hafatra ho an'izao andro izao. Tokony hanana hery miasa mangina izay hitaona ny hafa ho eo amin'ny fahazavan'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo. (...) Mpitandrina ny rahalahintsika isika (...). Raha tena mpino marina an'i Jesôsy isika dia hanangona taratry ny voninahitra ka hitsilo ny lalana maizina izay misy ireo manodidina antsika. Haneho ny toetra be fahasoavan'ilay Mpanavotra antsika, ary noho ny hery miasa mangina avy amintsika dia maro no ho voataona hibanjina "ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29 - TMK, t. 316. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal