Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananantsika 

Daty
Alarobia 29 May 2024

"Kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy avy, ka ny anankiray toy izao ary ny anankiray toy izao kosa." - 1 Kôr. 7:7.

Mofon'Aina:    
Mihoatra noho ny vola no omen'Andriamanitra ireo mpitantam-pananany. Fanomezam-pahasoavana ny fahaiza-mizara anananao. Inona no asehonao mikasika ireo fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, eo amin'ny teninao ary eo amin'ny firaisam-po feno halemem-panahy? (...) Talenta ny fahalalana ny fahamarinana. Fanahy maro ao anatin'ny haizina no mety hohazavain'ny teny feno fahamarinana sy fahatokiana ataonao. Fon'olona maro no mangetaheta firaisam-po sy efa ho faty lavitra an'Andriamanitra. Mety hanampy azy ireo ny fangorahanao. Ilain'ny Tompo ny teninao izay ampitenenan'ny Fanahiny Masina. (...)

Ny asa voalohany indrindra tokony hataon'ny Kristianina dia ny mandinika ny Soratra amim-bavaka mafana, mba hananan'izy ireo finoana miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy amin'ny asam-pitiavan-tena rehetra. Raha raisina ao am-po ny fahamarinana dia miasa tahaka ny lalivay tsara, mandra-pahatonga ny hery rehetra hilefitra eo ambany sitrapon'Andriamanitra. Amin'izay dia tsy maintsy hamirapiratra tahaka ny masoandro ianao. (...)

Tokony hohamasinina tahaka ny fanomezana sarobidy ny fanomezana avy amin'Andriamanitra rehetra. Tokony hatokana ho an'Andriamanitra ireny, mba hiasa ho an'ilay Tompo. Talenta ny tombontsoa ara-tsosialy rehetra. Tsy natao hanaovana izay mahafinaritra ny tena na ho fialam-boly sy ho fahafinaretana izany. (...) Zava-manan-danja tokoa ny fanomezam-pahasoavan'ny fanehoana modely tsara. (...)

Mampita fahalalana an'i Kristy ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana, ny fahalalana ary ny fangorahana sy ny fitiavana. Aoka ireo fanomezam-pahasoavana ireo hatokana ho an'Andriamanitra. Ilain'ny Tompo ireo, ary manao antso ny amin'ny hampiasana izany Izy. Tokony handray anjara ny rehetra amin'ny fanomanana ny fanahiny ary koa amin'ny fanomanana ny hafa mba hanolotra ny talentany ho an'Andriamanitra. Aoka ho vonona hampiasaina ho an'Andriamanitra ny fanahy sy ny fanomezam-pahasoavana tsirairay. Tokony hiara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny asa famonjem-panahy ny rehetra.

Omen'Andriamanitra anao ny talenta mba hahatonga anao ho mpiara-miasa mahomby amin'i Kristy. Fon'olona maro no mangetaheta firaisam-po, ary mila fatratra ny fanampiana sy ny fanohanana izay nomen'Andriamanitra anao mba homena azy ireo. - TMK, t. 327. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal